Politique

Andry Rajoelina Mikononkonona valifaty goavana ?


  • Zoma 31 Martsa 2017

Tapina ny daomy ho an’i Andry Rajoelina, raha ny hoavy politikany no dinihina.

Efa mahatsapa tena izy fa tsy hisy mangirana ho azy intsony eto amin’ny firenena ka naleony nisafidy ny hangina ? Sa mbola miandry fahagagana ? Voatsipaka am-bavafo Rajoelina vao nahazo seza ny HVM. Potika sy nivaky tanteraka ny mpomba azy, ary toa ratsy fiafara avokoa ny ankamaroany. Misy ny migadra, misy ny misitri-belona noho ny fanenjehana ataon’ny HVM ihany … Hatramin’ny firotsahan-kofidiany aza sakanana ka nampidingin-drambo azy ny 12 febroary, nilazany fa tsy misy hahasakana azy tsy ho kandida. Tsy niandry ela ny HVM fa 2 andro taorian’izay, ny 14 febroary, dia nivoaka ny didim-pitsarana manameloka an’i Lylison, namany mahafatra-po higadra 1 taona an-tranomaizina, ka nangina indray izy, raha samy nihevitra ny rehetra fa tsy hikoso-maso amin’ny fitondrana ankehitriny intsony ny tenany nanomboka tamin’iny fanambarany iny. Midika zavatra maro ny fahanginany ankehitriny. Maro no manombana fa mbola mikaro-kevitra fatratra hihoarana amin’ny tangena hampisotroin’ny HVM azy izy, ary manomana ny valifatiny mihitsy.

TSY FAHAFAHANA MIROTSAKA

Raha halalinina ny zava-nisy na ara-tantara na miainga amin’ny rivotra politika ankehitriny, efa naman’ny tsy misy hevitra intsony ny momba an-dRajoelina. Mbola maloto tanteraka izy noho fanonganam-panjakana, izay fakana fahefana tsy tamin’ny fomba demokratika. Midika zavatra be izany ka manimba tanteraka ny ho avy politikany. Etsy an-daniny, efa naloan’ny firenen-dehibe izay voalaza fa tao ambadiky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ny tenany satria vita ny nilany azy, ka tapi-dalan-kaleha sy tsy misy hamikirana intsony. Mbola manenjika azy koa ny lalàna iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny “Fifanarahan’i Cotounou” noho ny raharaha 2009 ka tsy hahafahany mandray anjara amin’ny fifidianana noho izy tompon’antoka tamina raharaha fanonganam-panjakana. Hitady hevitra aza hataon’ny fanjakana HVM noho ny hakanosana, ka mainka fa mahita hirika mazava azo hanapahan-doha ny olona atahoran’ny tena. Fanirian’ny rehetra anefa ny hirotsahan’izay te hirotsaka, mba hahafahan’ny Malagasy manan-tsafidy, indrindra hahafahan’ny vahoaka mitsara ny tena mendrika sy nahavita nampandroso. Iza no namotika sy tsy nisaina afa tsy ny nameno paosy ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT