Politique

Andry Rajoelina Mbola hitondra dimy taona ?


  • Zoma 08 Febroary 2013

Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana sy fijoroana vavolombelona ary fametrahana fehezam-boninkazo no nanamarihana ny faha efa-taonan’ny 7 febroary tamin’ity 2013 ity.

 Teo anoloan’ny lapan’Ambohitsorohitra no nanatanterahana ny hetsika rehetra omaly antoandro. Nitarika ny lanonana i Andry Nirina Rajoelina izay vao tonga avy any ivelany omaly maraina ary tonga dia nivantana teny Ambohitsorohitra. Tsy tazana teny an-toerana ny praiminisitra Omer Beriziky, ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo sy minisitra maromaro ihany, tahaka an’i Pierrot Rajaonarivelo, ankoatra ireo minisitra sy manampahefana akaikin-dRajoelina na mila ranondranony aminy. Kabary sy fanomezan-toky ary fampanantenana tahaka ny efa mahazatra azy no nataon’ny filohan’ny tetezamita, nampiany fiteny mampihetsi-po sy mitory fitiavan-tanindrazana (?) mba hanaitairana ny rehetra, angamba.

Tsy niova ny fomba firesaka fa dia mbola nosokajiana fa tsy mataho-tody sy mpamono olona ny mpitondra teo aloha, ka an-dRavalomanana daholo izany ny fahadisoana rehetra tamin’iny 7 febroary 2009 iny, fa mihevitra ho manana ny rariny foana ireo nitarika ny olona hiditra amin’ny faritra mena sy hanani-dapa. Io omaly io no nanambaran’i Andry Rajoelina fa misy amin’ireo manampahefana ao anatin’ny tetezamita no tsy mahalala ny lanjan’ny tolona natao teto. Tsy nihambahamba ihany koa i Andry Rajoelina nilaza fa raha ny fijeriny dia tsy misy na dia iray aza ka tia tanindrazana sy tena manana fahavononana ny hanavotra an’ity Madagasikara ity, ireo kandida filoham-pirenena.

Tsikaritra ihany koa fa tena tsy mbola levon’ny vavoniny ilay nampihemorana ny datim-pifidianana, izay nolazaina fa famitahana ny vahoaka Malagasy. Notsoriny fa nisy namadika izy, ary tena misy ny mikaroka ny fomba rehetra hanapotehana ny tolona. Tsy mahagaga moa izany kabarin’i Andry Rajoelina izany satria na tao anatin’ny fikambanana AV7 aza dia nitrangana disadisa teo amin’ny mpitarika, ary efa mibaribary amin’ny rehetra fa miady an-trano ireo mpomba an-dRajoelina, hatramin’ny nisian’ny tondrozotra. Milaza azy fa mahalala zavatra i Andry Rajoelina ka nampitandrina ireo mpanao kajikajy politika. Aleo ajanona izany, hoy izy sao hampidi-doza eto amin’ny firenena ka hamerina ny ra mandriaka indray.

Misy mantsy ny mikononkonona ny hampisy ny ady an-trano eto Madagasikara raha ny filazan’i Andry Rajoelina. Hafaliana tsy omby tratra kosa ny an’ireo mpikambana ao amin’ny AV7 satria nampanantena i Andry Rajoelina fa hitohy mandritra ny dimy taona, hatramin’ny 2018 (?), ny fahazoan’izy ireo ilay vola isam-bolana, ary tsy maintsy ho azo tsy ho ela , hono, ny onitra nangatahana tany amin’ny fitsarana. Io ilay 23 tapitrisa dolara nangatahan’ny AV7. Asa aloha na sinema na tena zava-marina fa dia hita, araka ny kabary omaly teny Ambohitsorohitra fa tsy mbola nikatona ny ferin’ireo niharam-boina sy namoy ny fianakaviany tamin’iny raharaha 7 febroary iny. Etsy ankilan’izay dia maro koa no mitaky ny hitsarana ireo rehetra nitarika ny olona hiakatra teny. Mbola asa be mihitsy anie izany ny fampihavanam-pirenena e ! Ary vao mainka hanasaro-javatra ny fahitana fa efa manana ny vondrona hiandaniany ny filohan’ny tetezamita.

RTT 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT