Politique

Andry Rajoelina Mandroso maty raibe, mihemotra maty renibe !


  • Zoma 17 Jona 2011

Raha ny fahitana ny zava-mitranga nifanesisesy taorian’ny fanambaran’ny SADC izay dia hita fa ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny mpitondra tetezamita, indrindra moa fa i Andry Rajoelina izay nanambara fa tsy te hahalala izany fanitsiana ny sori-dalana izany ny tenany sy ny FAT fa ilay natao rangopohy tamin’ny 9 martsa teny Ivato ihany no izy ary hotohizana ny lalana.

Nahoana anefa izy ireo no nanaiky nivory tany Gaborone kanefa efa  nahafantatra tsara mialoha fa matoa nampanantsoina tany ihany koa ny Ankolafy 3 sy vondrona politika hafa tsy mitovy fomba fijery amin’ny FAT dia mola hisy izany ny fakan-kevitra sy ny adihevitra ? Araka ny filazan’ny mpandinika ny raharaha politika iray dia diso lalana hatrany am-boalohany mihitsy i Andry Nirina Rajoelina, satria raha toa ka resy lahatra izy fa tena tohanan’ny vahoaka mitaky fanovana ary mahita lalam-bola sy fanampiana hafa, noho ireo mahazatra hatramin’izay dia tsy tokony ho nanaiky ny hihaona tany Maputo sy Addis Abeba fa tonga dia nanohy ny lalany sy nanatanteraka izay fandaharanasany.

Ankehitriy, araka ny filazan’ity mpandinika ny raharaha politika eto Madagasikara ity dia tena tonga amin’ilay fitenenana « mandroso maty raibe, mihemora maty renibe » ny filohan’ny FAT. Raha hanaiky hifampizara ny fahefana amin’ny Ankolafy 3 araka ny takian’ny SADC sy ny sehatra iraisam-pirenena izy dia hivadika aminy avokoa ireo mpanao politika sy ny olona nanohana azy, hany ka hirodana tsimoramora eo ny fitondrany satria ireo olona nanaovany vavabe sy naongany no hiray latabatra aminy, ary tsy hilaozan’izay misy hamaly faty ireo. Raha toa izy ka mitsipaka ny fehin-kevitry ny SADC, tahaka ny nambarany farany teo dia hihamafy ny sazy ary tsy tafavoaka amin’ny fitantanana ny firenena ny FAT satria tsy hipetra-potsiny ny mpanohitra fa hitady ny fomba rehetra hanozongozonana ny fitondrany, ny avy any ivelany rahateo hanamafy ny sazy ary raha ilaina aza mety handefa tafika mpampandry tany eto.

Main’ny afo natsangany i Andry Rajoelina ary voafitak’ireo nanoro hevitra azy hatramin’izay, manampy izany rehetra izany dia miharihary loatra araka ny nambarany ihany ny tsy fahamatoran’ny filohan’ny FAT amin’ny fitantanana ny firenena sy ny fanaovana politika, hany ka na ny olona tokony hatoky sy hanohana azy aza lasa misalasala rehefa nahita ny fiovaovan-keviny nandritra izay roa taona izay.

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT