Politique

Andry Rajoelina Mandany andro midoka tena


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Diso fanantenana indray izay nanantena zava-baovao tamin’ny kabarin’ny filohan’ny tetezamita ny harivan’ny alatsinainy 31 desambra lasa teo satria dia toa ny omaly tsy niova no hita sy re.

 Niverina indray ilay fehezanteny hoe tratra ny tanjona, sy ny hoe nahavita azy isika na dia ao anaty tetezamita aza. Notanisainy avy eo ny fanorenana hopitaly sy kianja manara-penitra sy ny trano mora, teo koa ny fireharehan’ny filohan’ny tetezamita tamin’ny nividianana ireo Airbus A340-300 roa. Tsy nanadino nisaotra ny foloalindahy noho ny asa nataony tany atsimo tamin’ny “Opération Tandroka” i Andry Rajoelina ary nanentana ny tsirairay mba hahay hankasitraka sy hanohana ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy. Nasiany tsindrim-peo manokana ny tsy fankasitrahany ny manampahefana sy ny olona sasany izay toa manakiana indray ny asan’ny mpitandro filaminana.

Niaiky koa anefa i Andry Rajoelina fa misy ny fanararaotam-pahefana ataona tompon’andraiki-panjakana eto no sady mbola mila asa goavana ny ady amin’ny kolikoly. Tsy niresaka mihitsy ny amin’ny mety haha kandida azy na tsia amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny filohan’ny tetezamita, na dia efa nilaza tamin’ny mpiara-miasa taminy tao Ambohitsorohitra ihany aza fa tamin’ny 25 desambra 2012 no krismasy farany iaharahany amin’izy ireo. Tsy dia nisy ny zava-baovao tao anatin’ilay kabary fa dia fanaovana jery todika no tena azo hamehezana azy, ary misy mihitsy aza ireo nahita fa toa kabary fidokafan-tena fotsiny no nataon’ny filohan’ny tetezamita. Miandry izay mety hambaran’i Andry Rajoelina mandritra ilay asaramanitry ny andrim-panjakana eny Iavoloha indray izany ireo izay liana amin’ny mety ho tohin’ny tantara e !

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT