Politique

Andry Rajoelina Mampiahiahy ny loharanom-bolany


  • Talata 15 Janoary 2013

Omaly no napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny vato fehizoro ho mari-pamantarana ny fanombohana ny asa fanamboarana ny tohatohabaton’Antaninarenina sy Ambondrona, anisan’ny vakoka mampiavaka an’Antananarivo Renivohitra.

 Ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina no miantoka manontolo ny vola ho lany amin’izany. Izy ihany koa no nitarika ny lanonana omaly, no sady lohalaharana tamin’ny dia an-tongotra. Tsy tena nisy kabary politika omaly, saingy tahaka ny mahazatra moa dia nanokana fotoana kely nidokafan-tena ihany i Andry Rajoelina ka namerimberina fa efa tamin’ny 1833 no nanamboarana ny tohatohabato ary izao indray vao nokitihana. Mahavita azy ny tanora, hoy izy ary tsy maintsy miakatra miakatra hatrany ny lalana. Mazava eto ny resaka fa sady maka toky amin’ireo mpanao politika miara-dia aminy i Andry Rajoelina no manambitamby ny vahoaka mpifidy ihany koa, izay vao hanambara amin’ny fomba ofisialy ny maha kandida azy.

Dia efa alefa mialoha moa ny propagandy, ka mifangaro ao ny fampiasana ny volan’ny tena manokana sy ny fampiasana ny fahefana amin’ny maha filoham-panjakana mba hanafainganana ny asa, sy hahazoana mpiara-miasa matanjaka. Ny mahalasa ny fisainana fotsiny dia ny hoe : raha samy hanao tahaka ny filohan’ny tetezamita avokoa ny manampahefana rehetra eto ka hanolotra vola etsy sy eroa hanamboarana fotodrafitrasa na ho fanampiana fikambanana dia asa izay mety hiafarantsika. Ekena fa efa nanana orinasa mialoha ny nanaovany politika i Andry Rajoelina. Mazava, araka izany, fa mety ho efa manambola matevintevina ihany izy sy Ramatoa vadiny. Tsy mety kosa anefa ilay hoe io volam-pianakaviana io no ampidirina amin’ny resaka fitantanana ny tanàna na ny firenena. Moa tsy izay va no olana teto tamin’ny 2008, tamin’ny resaka fividianana ny “Force One II” ? Na izany aza dia mampiahiahy ihany ny loharanom-bolany amin’izao fihetsiny izao.

Azo raisina ho fanapena-maso sy fanambantambazana ny vahoaka mpifidy, izany hoe fanaovana kolikoly ny zavatra tahaka izao, indrindra fa higadona tsy ho ela ilay fifidianana, raha toa ka ho kandida ihany izy. Ary dia ny filohan’ny tetezamita mihitsy no manao ilay izy. Dia mba ahoana moa ny zavatra mety hitranga raha toa ka manolotra vola hanamboarana fanamiana ho an’ny miaramila, ohatra ny amiraly Ratsiraka, na manome vola mba hanamboarana trano fidiovana sy trano fivoahana ireo Kaominina lehibe misy eto Atoa Marc Ravalomanana ? Moa va hanaiky izany ny mpitondra tetezamita ? Efa hatramin’ny 2009 no mampiasa vola mba hahatongavany amin’izay tanjona iriany i Andry Rajoelina, ary dia mbola manohy ny asany hatramin’izao.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT