Politique

Andry Rajoelina Lasa niafina indray ?


  • Zoma 21 Mey 2010


Tsy nijanona naharitra tao amin’ny toeram-piasany teny amin’ny lapan’Ambohitsorohitra, omaly ny filohan’ny HAT Andry Nirina Rajoelina, fa tonga dia nody avy hatrany, vantany vao raikitra ny fifanjevoana teny amin’ny manodidina ny toby misy ny FIGN. Karazana fepetra tsy maintsy raisina moa izany rehefa tena manomboka mafampana ny toe-draharaha, ary rehefa tandindomin-doza ny fitantanana ny firenena. Efa ny alarobia teo no niely ny feo fa hiakatra eny Ambohitsorohitra ny vahoaka, avy amin’ny ankolafy 3 hitaky ny fametraham-pialan’i Andry Rajoelina. Ny ankamaroan’ny mpiambina tao amin’ny lapan’Ambohitsorohitra rahateo, efa nentin’ny lehibeny hanafika ny FIGN, koa somary atahorana ihany, ny fiarovana sy fiambenana ny filohan’ny HAT. Ny avy ao amin’ny FIS sy ny CAPSAT ary ny polisim-pirenena mantsy amin’ny ankapobeny no miandraikitra ny fiarovana azy, satria efa tsy dia marisika ny hanao izany intsony ireo vondron-tafika hafa, izay tsy mankasitraka ny zava-misy tato ho ato sy ny fomba fiasan’ny HAT. Nisy mihitsy aza ny resaka nivoaka, omaly hariva fa hoe efa tsy ao amin’ny trano fonenany ao Ambatobe intsony i Andry Rajoelina fa lasa niafina any amin’ny toerana hafa. 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT