Politique

Andry Rajoelina Izay vao tena ho avy


  • Alatsinainy 19 Septambra 2016

Araka ny vaovao nohamarinina tamin’ireo olona akaiky azy dia ho tonga eto an-tanindrazana amin’ity herinandro ity Atoa Andry Nirina Rajoelina taorian’ny resaka efa niparitaka roa herinandro lasa izay.

 

 Ankoatra ny fihaonany amin’ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny vondrona Mapar dia ao anatin’ny fandaharam-potoanany ihany koa, raha araka ny fantatra, ny fitsidihana faritra vitsivitsy. Tsy mbola fantatra mazava ny fe-potoana ijanonany eto Madagasikara fa ny azo antoka dia hiezaka ny handamina sy hanome hery indray ny vondrona politika tarihany dia ny Mapar ity filohan’ny tetezamita teo aloha ity. Betsaka ny resaka mandeha ny amin’ny hoe efa nisy lasa nivadika HVM ny olon’ny Mapar sasany ka ho hita eo izay ho tohiny. Fa ny andrasan’ny rehetra koa dia izay hevitr’i Andry Rajoelina manoloana ny raharaham-pirenena. Moa ve hiandry ny fifidianana amin’ny 2018 na 2019 ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy sa hitaky ny hisian’ny fifidianana mialoha ny fotoana ? Eo koa ny resaka lalàna mifehy ny serasera satria dia tompona haino aman-jery sy trano printy ny tenany. Mety voakasik’ilay lalàna vaovao ketrehana holaniana manaraka eo momba ny heloka ara-ketra sy ara-toekarena ihany koa i Andry Rajoelina ka andrasana izay mety ho fanehoan-keviny. Eo koa ny resaka Soamahamanina sy ny firongatry ny fahazoan’ny vahiny tany midadasika ary ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia afaka roa volana.Manan-kevitra matotra ambara momba ireo ve i Andry Rajoelina sa hanaboribory resaka fotsiny ihany ? Na ho avy hanakorontana araka ny resabe miely tato ho ato ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT