Tamin’iny herinandro nivalona iny no voalaza fa higadonan’Atoa Andry Rajoelina an-tanindrazana raha ny fanomezam-baovaon’ireo olona akaiky azy saingy tsy nipoitra ny tenany.
Antony maro no mety ho nahatonga izany. Nisafidy ny mbola hijanona any ivelany ihany aloha ny filohan’ny tetezamita teo aloha raha araka ny re avy amin’ireo olona akaiky azy. Ny fahatongavan’i Andry Rajoelina eto amin’ny firenena dia mety hampahazo vahana ny hetsi-panoherana ka tsy maintsy ataon’ny fanjakana ny fomba rehetra hanalefahana sy hampitsaharana ny hetsika ny mpanohitra, raha ny fahitan’ny mpanara-baovao politika azy. Manahy mafy ny hosamborin’ny fanjakana Rajaonarimampianina ny tenany raha vao migadona eto. Efa matahotra mafy ny toerany rahateo ny fanjakana manoloana ny hetsi-panoherana sy ny fahasosorana eto ka miezaka mamono afo amin’ny alalan’ny fampiasana hery famoretana sy fanenjehana ireo mpitarika ka manomboka lasa lamaody indray ny fisamborana mety hiafara amin’ny fanagadrana. Efa miditra amin’ny herisetra mihitsy aza ny mpitondra ankehitriny hisakanana izay mety ho hetsika politika manohintohina ka enjehina mafy ireo mpanao politika mitarika vahoaka hanohitra, anisany ireo olon-dRajoelina. Tsiponin’ny fanjakana tsikelikely ny ekipan’ny MAPAR raha tsy hilaza afa tsy ny Kolonely Lylison izay efa ho 6 volana izay no tsy hita popoka. Iaraha-nahita ihany koa ny fanenjehana an’i Augustin Andriamanoro filoha lefitry ny MAPAR, efa nahazo ny anjarany koa ny depiote Nina. Misy ny resaka mivoaka fa efa ketrehana ihany koa izay hisamborana ny filohan’ny tetezamita teo aloha sy hanagadrana azy tahaka ny efa natao tamin’i Marc Ravalomanana, vantany vao tonga teto Madagasikara izy.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.