Politique

Andry Rajoelina : hivadi-dela indray ?


  • Talata 09 Novambra 2010

Hatramin’ny asabotsy teo dia nanomboka nitety faritra ny filohan’ny FAT.

Teo amin’ny lapan’ny kolotsaina sy ny fanatajahantena ny tenany nanehoany ireo “makety’ maromaro mirakitra ny ‘tetikasany’, raha tsy hiteny afa-tsy ny hoe trano mora vidy 10 000, ny fanamboarana an’Antsonjombe izay efa hirahira hatramin’izay, ny hoe fananganana orinasa mpanao simenitra mora, ny tramway ny fanomezana tany ny tanora sy ny maro hafa tsy voatanisa. Tsy misy maharatsy ireo tokoa ary dia tena mampilendalenda avokoa satria fivoarana sy fampandrosoana. Saingy baraingo maromaro no mipetraka amin’ireo mpanara-baovao. Voalohany indrindra amin’ireny ny hoe aiza no ahitan’ny FAT famatsiam-bola ho amin’izany tetikasa rehetra izany, amin’ny fomba ahoana no hanatanterahana izany, sy ny hoe hafiriana no heverin’ny filohan’ny FAT hanatanterahana ireo fampanantenana napetrany ireo. Ingahy Andry Rajoelina rahateo efa nilaza mialoha fa tsy hirostaka ho fidiana ho filoham-pirenena. Nefa moa raha ny zavamisy dia tsy vao izao no nivadika tamin’izay teny nomeny ny lehilahy.

Tamin’ireo fitetezam-paritra nataony tany Mahajanga sy Marovoay dia nitsotra ny filohan’ny FAT fa tsy ho vita ato anatin’ny fotoan’ny tetezamita avokoa ireo asa ireo. Izany hoe tsy hijanona hatreo amin’ny tetezamita ny tenany, araka izay nolazainy ‘fahiny’ fa manam-pikasana ny hirotsaka ho fidiana amin’izay fifidianana ho avy eo. Raha dinihina tokoa aloha ilay fitetezam-paritra sy ny fanambatambazana ny madinika amin’ny vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana an-davanandro, dia efa miendrika fampielezan-kevitra no ataon’i Andry Rajoelina ary nandritra ireo fitsidiham-paritra nataony dia tsy nihambahamba mihitsy ingahy Rajoelina nanonona sy nanandratra ny anaran’ny antokony dia ny Tgv izany. Ho hita eo moa ny tohiny.

 
Soa      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT