Hita ho sahiran-tsaina i Andry Rajoelina ny amin’ny handraisana fanapahan-kevitra hilatsahany hofidina ho filoham-pirenena na tsia.
Zava-misy faramparany izao mantsy dia manery azy tsy handray anjara avokoa ireo firenen-dehibe nantenainy hanome tanana. Lasa tany Tanzania dia niverina tsy nanan-kalahatra tamin’ny vahoaka, nilomay tany amin’ny Renimalala indray, dia nahazo ny ”Mbola kely loatra ianao”. Izao indray dia nitsoriaka nangingina any Israely, nodradrain’ny tao an-dapa fa hanao fivahinianana masina na pelerinazy. Ny zava-misy anefa dia ny hitady fanohanana amin’i Shimon Perez. Ho hita eo ihany moa izay hambarany eo am-piverenana an-tanindrazana. Fa andrasan’ny maro ihany koa izay hambarany amin’ny fifampiarahabana hataony amin’ny andrim-panjakana sy amin’ny Malagasy eny Mavoloha ny 09 janoary izao. Ireo mpikambana TGV ifaharany efa nifindra lasy tsikelikely.
Tsy mahagaga raha tsy sahy namory vahoaka ity antokon’i Andry Rajoelina ity, ary tsy mety mahavita kongresy nasionaly hatramin’izao, na efa hatramin’ny 2012 aza no re siosio fa hanaovany izany. Ireo mpila ranondranony sy mpitady toerana sisa mihetsika, manao be midina any amin’iny faritra Anôsy iny manangon-tsonia mitaky ny hilatsahan’i Andry Rajoelina hofidina, hono, mba hilazan’ity farany indray avy eo fa “noho ny fangatahanareo vahoaka, dia hilatsaka hofidina ho filohan’ny Repoblika faha-4 aho”. Eo isika mahita izy e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.