Politique

Andry Rajoelina Hila vonjy any Dar es Salam


  • Zoma 14 Desambra 2012

Telo andro taorian’ny fanambarana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tsy ho kandida izy dia, re izao fa hihazo an’i Dar es Salam indray ary hihaona amin’ny filoha Tanzanianina sady filohan’ny Troika-SADC, Jakaya Mrisho Kikwete, i Andry Rajoelina amin’ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana amin’ny ora farany.

 Fantatra anefa fa tsy maintsy tafaverina eto Madagasikara ihany ny tenany ny sabotsy satria hitokana ny kianja Maki eny Andohatapenaka. Maro no mihevitra fa hanentana ireo mpanohana azy mba ho avy maro be, hitsena azy amin’ny fomba makotrokotroka, eny Ivato sy amin’izay lalana rehetra handalovany, amin’ io sabotsy io ny filohan’ny tetezamita. Efa fomba fiady ihany mantsy izany, mba hampisehoana ny herin’ny tena, ary handemena ny sain’ny mpifanandrina ihany koa no hahafahana mandiso ireo fanakianana maro samihafa milaza fa efa tsy mahazaka olona intsony izany Andry Rajoelina izany. Ity farany moa, herinandro lasa izay dia nilaza ampahibemaso fa efa fantany ny fanapahan-keviny momba ny fifidianana.

Ny tsy fantatra kosa anefa dia ny hoe mety hanova ny fanapahan-keviny ve ny fanambarana nataon’Atoa Marc Ravalomanana sy ny fihaonany amin’ny filoha Tanzanianina izay sady filoha mitarika ny Troikan’ny SADC ihany koa ? Fa ny azo antoka aloha dia efa niomana fatratra tamin’ity fihaonana hataony any Dar es Salam ity i Andry Rajoelina satria maro dia maro ireo olona nidinika sy niara-nivory taminy, tato anatin’ny telo andro izao. Omaly dia efa nandeha ny siosion-dresaka fa mety hanaiky tsy ho kandida koa i Andry Rajoelina, fa hitondra ny tetezamita mandra-pisy filoham-pirenena voafidy, saingy hametraka fepetra fa aorian’ny fifidianana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana vao tokony hiverina eto Madagasikara.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT