Maro ankehitriny ireo mpanao politika, fikambanana, mpahay lalŕna, mpanara-baovao politika no manomboka misarika ny sain’ny olom-pirenena amin’ireo andininy manjavozavo ao amin’ny lalŕmpanorenana.
Anisan’izany ny mikasika ny fitondrana tetezamita, araka ny voalaza ao amin’ny andininy faha-168 izay milaza fa manohy ny asany ny rafitra misy amin’izao fotoana mandra-pipetraky ny rafitra vaovao voalazan’ny lalàmpanorenana… Manohy ny asany amin’ny maha filoham-panjakana azy ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita mandra-pipetraky ny filoha vaovao nahavita fianianana. Raha adika tsotsotra izany dia milaza fa mijanona ho filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina ary manan-kery ny CST sy ny CT ary ny governemanta misy amin’izao fotoana ao anatin’ny fotoana tsy voafetra, satria tsy voalaza mazava hoe ao anatin’ny hafiriana tsara no tsy maintsy hametrahana ireo rafitra rehetra ao anatin’ny repoblika fahefatra raha toa ka lany ny Eny. Mazava ho azy fa tsy voatery hahatakatra an’io avokoa ny olon-drehetra ary mety tsy mahazo an-tsaina mihitsy ny ambadika politika amin’izany.
Ataon’i Andry Rajoelina hirahira any amin’ny fitetezam-paritra ataony fa misy andian’olona manao izay hampitarazoka ny asan’ny tetezamita. Mety ho marina izany, fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe iza marina ary ireo olona ireo ? Hoy indrindra ny mpahay lalàna iray hoe : «ny FAT sy ireo mpomba azy no nandrafitra io volavolan-dalàmpanorenana io, koa raha tian’izy ireo marina ny hanafaingana ny asan’ny tetezamita dia nahoana ary no tsy nosoratan-dry zareo mazava tao ny fe-potoana tsy maintsy tafapetraka ny rafitra rehetra ao amin’ny repoblika faha-4. Fa natao manjavozavo be ilay izy mba hahafahana manao izay tiana, angamba». Raha tsorina ny resaka dia afaka migalabona tsara ao anatin’ny fitondrana tetezamita sy manao izay sitrapony (fitetezam-paritra, propagandy, fampiasana ny fananam-panjakana....) rehetra i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy, satria tsy voafetry ny fotoana izy ireo no sady arovan’ny lalàmpanorenany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.