Politique

Andry Rajoelina Hanao inona any Frantsa ?


  • Talata 18 Desambra 2012

Lasa any Frantsa indray i Andry Nirina Rajoelina, andro vitsy monja taorian’ny fihaonany tamin’ny filohan’ny Troikan’ny SADC tany Tanzania.

 Araka ny fantatra dia hihaona amina tompon’andraiki-panjakana Frantsay toa an’i Laurent Fabius, minisitry ny raharaham-bahiny, izy no sady hihaona manokana amin’i Abdou Diouf, Sekretera jeneralin’ny OIF na fikambanamben’ny Frankôfônia. Tsy fitsidihana ofisialy izy ity, fa manan-danja tokoa ho an’i Andry TGV matoa natao maimaika tahaka izao. Rehefa ny SADC izany no hanatanteraka fivoriana na fampihaonana dia tsy maintsy ampahafatarina an-taratasy herinandro mialoha farafahakeliny, ny filohan’ny tetezamita sy ireo mpiara-miasa aminy.

Rehefa voaantso any Frantsa, na tsy maintsy mankany tampoka kosa dia roa na telo andro dia efa mety. Na ankizy mbola any amin’ny EPP aza dia efa mahatakatra fa tohin’ny resaka tany Dar es Salam sy misy ifandraisany amin’ny fifidianana hotanterahana eto amintsika no anton-dian’i Andry TGV any Paris. Efa nanomboka tamin’ny 2007 mantsy ny lehilahy no tsy maintsy mandeha any amin’ny Renimalala in-droa isan-taona farafahakeliny, indrindra rehefa misy ny fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy horaisiny. Dia mody ambara fa fitsidihana manokana, na fialan-tsasatra no atao any, kanefa dia fitsidihana misy loko politika tanteraka. Mibaribary fa anisan’ireo mpitondra sy mpanao politika miera isaky ny mihetsika any Frantsa i Andry Rajoelina, izay vao afaka manapa-kevitra. Na fakan-kevitra na ahoana na ahoana ilazana azy, tsy manova inona, fa ny marina marina ihany. Tsy tompon’ny fanapahan-kevitra, araka ny hirahirany isaky ny mihetsika i Andry Rajoelina fa tena mbola manana sefo deba, any Lafrantsa any. Tsianjery sy resaka hampandriana adrisa fotsiny ilay hoe “fiandrianam-pirenena.

Ny marina dia lava tanana ao anatin’izao fitondrana tetezamita izao i Frantsa ary olony ny ankamaroan’ireo manampahefana ambony, sivily sy miaramila eto amintsika, indrindra fa ato anatin’izao tetezamita izao, anisany i Andry Rajoelina. Raha tena mahaleotena amin’ny fanapahan-keviny ity farany, efa ela no tokony ho sahy nanambara naha kandida azy na tsia. Fa ilay fanambarana nihemotra lava ity kay, mety mbola miandry ny toromarika sy tsodrano avy any amin’i Lafrantsa Renimalala, raha ho izay no fipetrany. Raha ny resaka mandeha anefa dia toa efa mitodi-damosina amin’i Andry TGV ny Renimalala, fa ampy azy ny tamin’ny 2009, nanonganana ny fitondran-dRavalomanana. Fankasitrahana ihany nomena an’i Andry Rajoelina izay efa-taona latsaka nitondrany an’i Madagasikara  izay ka mety hifampitsodrano amin’izay. Mandeha, araka izany, ny tombana fa rehefa tsy nahavita nandresy lahatra an’i Andry TGV ny Tanzanianlina dia horaisin’ny Frantsay an-tanana ny hilaza aminy hanaja tena. Dia ho hita eo e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT