Nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety omaly, teny Ankorondrano no nanambaran’i Andry Rajoelina fa efa fantany ny fanapahan-keviny ny amin’ny maha kandida na tsia azy amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hotanterahana ny 8 mey 2013.
Hambarako amin’ny vahoaka malagasy afaka andro vitsivitsy io fanapahan-kevitro io, hoy izy, satria manan-jo hahafantatra izany ny rehetra. Takatry ny maro avy hatrany fa mety hanararaotra ny andro talata 11 desambra, hisian’ny havoriana sady lanonambe fitokanana ny Coliseum eny Antsonjombe mifanindran-dalana amin’ny fankalazana ny faha-2 taonan’ny Repoblika faha-4 (?) i Andry Rajoelina, hanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fanapahan-keviny. Mampatsiahy ny tantara, 12 taona lasa izay ity «suspens» ataon’i Andry Rajoelina ity, satria ny 26 jona 2001, fetim-pirenena, no nanambara ampahibemaso ny maha kandida azy ny amiraly Didier Ratsiraka. Efa resabe no nisy mialoha io mahakasika ny fahasalamany, ka hoe tsy mahatantana firenena intsony. Maro ny anarana nivoaka ambara fa hisolo azy ka kandida hatolotry ny Arema, anisan’izany i Pierrot Rajaonarivelo, Tantely Andrianarivo, Sophie Ratsiraka ...
Araka ny tsiliantsofina re, tamin’izany moa dia nanapa-kevitra ny hirotsaka hofidiana i Didier Ratsiraka mba tsy hampizarazara ny Arema, kanefa mety mbola nisy antony hafa. Efa nahoraka be koa moa ny maha kandida ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Marc Ravalomanana tamin’izany fotoana, koa mety nahatsapa koa angamba ny amiraly fa matanjaka ny PDG-n’ny Tiko, ka aleo izy mihitsy no hifanintsana aminy fa raha olon-kafa dia mety ataon’ity farany telimoka fotsiny. Raha ny fahitana azy dia zavatra tahaka izany no mety hataon’i Andry Rajoelina, izay mahay milalao ny serasera no sady tia lanonana rahateo, ka eny Antsonjombe manoloana olona 50 000 mifaly sy mitotorebika ary mihorakoraka, no mety hanambarany fa ho kandida ny tenany. Mihamahazo vahana koa ny disadisa anatiny eo anivon’ny TGV, antokony. Ka hataon’ny kandida hafa rapadango eo amin’ny fifidianana raha mizarazara, ka mety ho izy no hiroso.
Raha ny tarehimarika 77 no nahafantaran’ny olona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, dia hita fa ny tarehimarika 11 kosa no toa mahafatifaty an’i Andry Rajoelina. Efa manana ny antokony ity farany dia ny TGV, efa manana ny teny filamatra azony ampiasaina amin’ny propagandy izy dia ilay hoe : «manorina sy manangana ho an’ny taranaka isika», efa ny loko volom-boasary sy manga ary fotsy no fampiasany, koa ny fanambarana ofisialy ny maha kandida azy anie izany sisa no andrasana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.