Eto Antananarivo amin’izao fotoana ireo iraka manokana avy any Afrika Atsimo, izay miasa mafy amin’ny fikarakarana ny fihaonana tapany faharoa any Pretoria.
Miasa mangina izy ireo kanefa dia manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fandresen-dahatra ireo ankolafy rehetra mba hiverina hiresaka an-databatra indray, indrindra fa fifanazavana sy adihevitra vitsivitsy ihany sisa no atao, mialoha ny hanasoniavan’ny filohan’ny ankolafy efatra, ny satan’i Pretoria izay dingana farany amin’ny fananganana ny tetezamita iaraha-mitantana sy eken’ny rehetra. Araka ny tsiliantsofina re dia misy iraka manokana avy any amin’ny filoha Afrikanina Tatsimo Jacob Zuma mihitsy no ho avy eto, ary hihaona amin’i Andry Rajoelina, izay nilaza fa tsy ho avy any Pretoria intsony. Mandeha anefa ny resaka izao fa mety hiova hevitra indray ny filohan’ny HAT ka hanaiky ny hihaona amin’ireo filoha teo aloha telo mirahalahy indray. Tsy hiova ny toerana fa dia mbola any Pretoria ihany aloha hatramin’izao. Mety ho anisan’ny antony mampiova hevitra an’i Andry Rajoelina ny fahafantarany fa tsy eken’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanapahan-kevitra noraisiny, ny amin’ny hoe tsy hilatsaka hofidiana sy hitantana ny tetezamita samirery ; eo koa ny fahatsapany fa miha sahirana ny firenena, miseho etsy sy eroa ny fitokonana ary na ny mpiasam-panjakana aza dia manomboka mivorivory sy mifampitaona izany.
Nisy mihitsy moa ny nitokona tahaka ireo administratera sivily sy ny mpiasan’ny Trésor. Ny fanjakana rahateo efa manomboka tsy manam-bola firy intsony, ka ho sahirana ny mpitondra raha sanatria ka ritra tanteraka ny tahiry vola vahiny, ary tsy afaka hividy entana any ivelany intsony isika, indrindra fa ny solika. Mivaha ao anatin’ny andro vitsivitsy monja anefa izany rehetra izany rehefa voasonia ary ampiharina ny fifanarahana eo amin’ny ankolafy efatra amin’ny fananganana ilay tetezamita iaraha-mitantana, satria hiverina ny famatsiam-bola sy ny fanampiana isan-karazany avy any ivelany. Araka ny fandinihan’ireo mpanara-baovao azy dia famonoan-tena ara-politika ho an’i Andry Rajoelina sy ny ekipany ny fiziriziriana hitady lalan-kafa ankoatra ny fandehanana any Pretoria sy fanekena ny fifanarahana iadian-kevitra any. Na izany aza anefa dia mbola ho henjankenjana ihany ny fandresen-dahatra ny filohan’ny HAT hivadika amin’ny nambarany nandritra ny lahateniny tamin’ny herinandro, satria vao mainka hanaratsy endrika azy eo imason’ireo mpanohana azy izany fivadibadihana lava isaky ny mihetsika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.