Politique

Andry Rajoelina Halefa hianatra any Harvard ?


  • Alatsinainy 17 Mey 2010

Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena, indrindra taorian’ny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina tsy hirotsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy eo.

Nanitikitika ny sain’ny maro ny tao ambadik’iny fanapahan-kevitra tampotampoka nataon’ny filohan’ny FAT (Fahefana Avon’ny Tetezamita) iny, 14 volana aty aorian’ny nandrombahany an-keriny ny fahefana teo am-pelatanan’ny olona voafidim-bahoaka tamin’ny fomba demokratika ary nankatoavin’izao tontolo izao, Marc Ravalomanana, ny 17 martsa 2009. Betsaka ny fanontaniana tsy ahitam-baliny momba iny resaka iny. Maro koa no milaza fa tsy an-tsitrapo no nanaovan’i Andry Rajoelina ny fanambarany tamin’ny 12 mey 2010 teo. Ao koa ireo miahiahy fa tsy tongatonga ho azy ny fihazakazaky ny Frantsay, tamin’ny alalan’i Alain Joyandet, Sekreteram-panjakana miadidy ny fiaraha-miasa sy ny frankôfônia, nankasitraka ny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina, narahin’ny filazana fa hitarika ny fahazoana fankatoavana iraisam-pirenena iny.

Nanaraka ny fanambaran’ny Frantsay ny an’ny Sekretera jeneralin’ny vondron’ny tany mampiasa amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, na ny frankôfônia, izay filoha senegaley teo aloha, Abdou Diouf izay efa nanambara fa hanohana ny fanatanterahana fifidianana eto Madagasikara. Nanarakaraka ireo ny fanambaran’i Abdoulaye Wade, filoha senegaley am-perinasa. Mandeha ary ny feo ankehitriny fa ao ambadik’ireny fanambarana misesika ireny ny fampanantenana an’i Andry Rajoelina, hianatra any amin’ny oniversiten’i Harvard, any Etazonia, hanomanana azy ho filohan’ny Repoblika afaka 10 taona. Izy (Rajoelina) rahateo mbola tanora, afaka manoman-tena tsara ho amin’izany, raha ny resaka mandeha ihany io. Harvard dia oniversite malaza eran-tany amin’ny fanofanana sy famolavolana olona ho mpitantana ambony, eny fa hatramin’ny mpanao politika aza. Anisan’ny novolavolaina tany ry Herizo Razafimahaleo raha ny avy eto Madagasikara. Asa koa anefa na fomba entina hanalana an’i Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana izany na tsia.

 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT