Nanamarika ny maro fa mila ho isan-kerinandro i Andry Nirina Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, no mitety faritra. Hatramin’ny volana jolay no ho mankaty no tsikaritra io fivoahana io.
Any am-pandehanana indray dia manao ranolava ny fampanantenany ny olona amin’ny tanàna izay lalovany fa hanamboarana fotodrafitrasa. Tsy fotoanan’ny kabary lava intsony izao fa asa, hoy izy ombieny ombieny. Hanamboarana hopitaly manara-penitra ao Mahajanga. Tsy ao ihany fa tanàna miisa sivy be izao no indray hanatanterahana izany, dia ireo renivohi-paritany enina teo aloha miampy ny tanànan’i Maintirano, Manakara ary Morondava. Tsy fantatra ny anton’ny safidy. Mikasa ho any Morondava aza moa izy amin’ny sabotsy izao hanambarany io asa io saingy toa nahemotra ho amin’ny 25 septambra indray izany. Hamboarina Antsonjombe, hatao sentetika ny kianja Rasolonjatovo (Ambatondrazaka) sy ny kianja Mitabe (Antsiranana). Hanamboarana dobo olimpika any amin’ny tanàn-dehibe maro.
Hamboarina ny lalam-pirenena faha-44, toy izany koa ny lalam-pirenena faha-35 mampifandray an’i Vakinankaratra sy Menabe, izay handehanany any Morondava ato ho ato. Lazaina fa sahirana ny firenena nefa tampoka teo dia miraradraraka indray ny vola handefasana mpanao fanatanjahantena hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena, izay mbola ampanantenaina fa hanamboarana Akademia hanaovana fanazaran-tena mihitsy aza ny taranja sasany. Raha ny fanenon’ireo fampanantenana dia tany tsy anaty krizy na koa mandalo tetezamita intsony i Madagasikara. Raha mihaino an’i Andry Rajoelina milaza azy sy mampanantena indray dia manoatra noho ireny filohan’ny Repoblika am-perinasa ireny mihitsy ny tenany, na koa toy ny kandida mampanantena zavatra rehefa fotoanan’ny fampielezan-kevitra ireny mba hifidianana azy, sa hilatsaka indray angaha ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.