Politique

Andry Rajoelina Enin-taona nisesy tsy nanao faran’ny taona teto Madagasikara


  • Alarobia 09 Janoary 2013

Fito andro no naharetan’ny dian’i Andry Rajoelina sy ny ankohonany tany Israely.

 Fivahinianana masina no nambara fa tena anton-dia, na izany aza anefa dia nisy ihany ny fihaonana politika nataony tamin’ny filoha Israelianina Shimon Peres. Heverina fa mety hilaza amin’ny ambangovangony ny zavatra nataony tany amin’ity anio ity i Andry Rajoelina sy hilaza izay mety ho voan-dalana nentiny ihany koa. Hatramin’ny 2007 no ho mankaty dia tsy mbola niatrika fetin’ny faran’ny taona teto Madagasikara mihitsy Atoa Andry Nirina Rajoelina sy ny fianakaviany, fa any ivelany any hatrany, ary matetika no any Frantsa, dia izao tany Israely izao indray. Matetika dia efa vita mialoha ny kabariny amin’ny faran’ny taona ka alefa amin’ny haino aman-jerim-panjakana fotsiny sisa.

Manomboka mampametra-panontaniana ny maro io fivoahana lava any ivelany isaky ny faran’ny taona io. Tena zon’ny tsirairay tokoa ny miala sasatra, na eto an-toerana na any ivelany. Mampieritreritra ihany anefa raha toa ka ny filoha raisina ho toy ny raiamandrenin’ny Malagasy rehetra no tsy eto an-tanindrazana foana isaky ny farany sy ny fiandohan’ny taona fa mahita anton-dia any ivelany any. Sa ve ilay miara-mifety amin’ny Malagasy isaky ny faran’ny taona mihitsy no tsy dia mety aminy ? Sa misy antony hafa, miendrika mistery sy tsiambaratelo ? Samy matetika mivoaka any ivelany ireo filoham-pirenena roa teo aloha dia i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka, saingy tsy mbola nisy kosa ny hoe krismasy na faran’ny taona no mandao an’i Madagasikara izy ireo. I Andry Rajoelina anefa farany teo, dia nahavita hoe ny alin’ny 31 desambra no nanainga ho any Israely. Mampieritreritra !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT