Politique

Andry Rajoelina - Edgar Razafindravahy Mifaninana maka ny fon’Antananarivo


  • Alarobia 27 Oktobra 2010


Tsy mitsahatra mitety Fokontany ny PDS Edgar Razafindravahy tato ho ato. Ny resaka sosialy no niompanan’ny diany fa navalona kely mihitsy aloha ny tsena. Nampanantenaina fa hamboarina ny teny Andravoahangy raha vao voatendry izy fa niherina ihany ny taona tsy hita. Noresahiny halamina i Behoririka, Petite Vitesse sy Analakely, fa ny eo ihany no eo. Ny kalamita (hala) indray aza no migalabona ao amin’ilay Tsena Fitiavana misy rihana eo amin’ny Petite Vitesse. Hanakonana izany rehetra dia makamaka ny fon’ny olona amin’ny fanampiana sosialy indray, mifaninana amin’ny Tsena Mora an’i Andry Rajoelina. Mifanao fangalapiery aza ny fahitana azy roalahy. Midina an-tsaha ny iray, dia misitrika mangina ny iray. Tonga tampoka indray ny andaniny, dia manarangarana ny ankilany. Vary, menaka, savony, ronono mora vidy mitobaka eny amin’ny Tsena Mora. Kahie, fanamboarana sekoly, fizakana ny karaman’ny mpampianatra FRAM kosa an’ny Kaominina. Mifaninana maka ny fon’Antananarivo. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT