Politique

Andry Rajoelina Atosiky ny foloalindahy hanaotao foana indray


  • Talata 13 Aprily 2010

Nihaona tamin’i Andry Rajoelina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha omaly alatsinainy 12 aprily 2010 ireo lehibe mpifehy eo anivon’ny foloalindahy, zandary sy miaramila, notarihin’ny lehiben’ny Etamazaoro miaramila, ny jeneraly Ndriarijaona André sy ny komandy ambonin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfrid.

Naharitra ora telo teo ny fihaonana saingy tsy nisy nipika ny dinika. Siosion-dresaka sisa mandeha fa nanery an-dRajoelina ny miaramila, ary tonga hatramin’ny famerana fe-potoana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita hanambarana mazava ny soridalana hivoahana amin’ny krizy ny foloalindahy raha ny vontoatin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly tolakandro tao amin’ny Cemes Soanierana. Milaza ny fanambarana, fa “mangataka amin’ny fanjakana mahefa, dia ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, hamoaka soridalana mazava azo hamarinina”, dia “ny tetikasa, lalàna sy ny hoenti-manana ivoahana amin’izao krizy sy fahasahiranana lalina manjo izao”. Toy izany koa izay “hoenti-manana ara-bola handavorariana ireo fanamby samihafan’ny fanjakana ary ny fitakiana amin’ny fanjakana ny amin’ny adidy tsy maintsy atao hampivondronana ireo hery velona sy hetsika rehetra eto amin’ny firenena”.

Eo no manaitra. Manery ny fitondrana mahefa hamoaka soridalana ny foloalindahy. Fantatr’ireto farany tsara anefa fa herintaona mahery nitondrana ity firenena ity izao i Andry Rajoelina. Maro ny soridalana natolony hitantanana ny tetezamita. Tao ny nivoaka nandritra ny fikaonandoham-pirenena teny Ivato ny 2 sy 3 aprily 2009, narahin’ny soridalana natolotra ny Vondrona Eoropeanina tany Bruxelles ny 06 jolay 2009. Nisy koa ny fandraisana didy hitsivolana samihafa toy ny 2009-012 tamin’ny 18 desambra 2009, milaza ny firaritry ny tetezamita sy ny fitantanana azy, ka namaritana ny datin’ny 20 martsa 2010 tamin’izay fa hirosoana amin’ny fifidianana depiote handrafitra ny Antenimieram-panorenana. Ary vao ny 4 sy 5 martsa teo, tao amin’ny Centre de Conférence International ivato no nisian’ilay atrikasa “Teny Ifampierana”, niresahana indrindra ny amin’io soridalan’ny tetezamita io. Izany rehetra izany dia tsy nahazo ny fankatoavan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, noho izy novolavolaina sy notanterahin’ny ankolafy Rajoelina sy ny Fahefana Avon’ny Tetezamia samirery. Koa ankehitriny, ny mbola aneren’ny foloalindahy ny FAT handroso soridalana vaovao indray dia zavatra telo loha no mety ho antony. Na ny foloalindahy te hanaporofo fa tapi-dalan-kaleha ny mpanao politika, na ady varotra tsotra izao ny an’ny foloalindahy, fa ny azo antoka dia atosiky ny foloalindahy hanaotao foana, amin’ity manjaka tokana ity i Andry Rajoelina, satria dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena izany. Ary vao mainka aza hampitombo ny krizy, ary manosika ny olona ho eny an-dalambe. Etsy an-kilany anefa ny foloalindahy dia miantso ny mpanao politika hampitsahatra ny hetsika an-dalambe, ka dia fifandonan’ny hery tsy mitovy tsotra izao no haterak’izany.
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT