Nanatsoaka ny fitoriany ilay lehilahy mpitarika fikambanana iray ny vehivavy iray izay nilaza fa notazoniny an-keriny, ka nitory azy. Nanaiky hanala ny fitoriana natao an’ilay mpanakanto iray voalaza fa tompon’antoka tamina fanalam-baraka tany anaty tambajotram-pifandraisana fesiboky ireo rehetra nitory azy.
Tsy hidirana lalina aloha ny mety ho fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ireny toe-javatra ireny, fa ny zava-dehibe dia ilay hoe hay mahay mifampiresaka sy mifamela ihany isika fa tsy voatery hifandetika sy hifamotika lava izao. Efa mariky ny fampihavanana ireny toe-javatra ireny ary mendrika halain-tahaka. Tsara raha hitarina any amin’ny resa-politika ireny zava-nisy ireny, ka mba ho tanteraka amin’izay ilay tena fampihavana noketrehina an-taonany maro. Tsy tongatonga ho azy ireny fa efa andron’ny fifamelana izao raha tena misy ny fahatsapan-tena sy fandavan-tena tena hihavana amin-kitsim-po. Samy milaza ho tia tanindrazana daholo ny rehetra ary hirarakopana indray izany voambolana izany atsy ho atsy mba ho fandresen-dahatra ny vahoaka amin’ny fifidianana. Mila porofoina amin’ny resaka fanatsaharana ny disadisa politika izay mamotika ny firenena izany, fa tsy atao kobaka am-bava fotsiny, ka aleo tsy miteny ho tia tanindrazana raha mbola tsy vonon-kihavana fa hifampihatsaravelatsihy sy hifamono an-kolaka lava eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.