Politique

Andro voalohan’ny fivoriana Depiote maro no ningitrika sahady


  • Alarobia 19 Oktobra 2016

Hifantoka amin’ny fandinihana ny volavolan-dalŕna momba ny komitim-pirenena momba ny fampihavanana sy ny tetibolam-panjakana 2017 ny parlemanta izay nanomboka nivory omaly. Haharitra 60 andro ity fivoriana ara-potoana faharoa ity.

 

 Nangataka ny tokony hampitomboana ny tetibola ampiasaina amin’ny lafiny ara-tsosialy ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza omaly, izay vitsivitsy no tonga nivory moa. Niantso ho amin’ny fitoniana sy ny fihavanana kosa ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy. Aleo mikaroka vahaolana amin’ny alalan’ny fifampiresahana foana, hoy izy. Hivory anio maraina ny birao maharitra. Amin’ny tolakandro kosa dia hisy ny fivorian’ireo filoham-baomiera ka aorian’izay vao ho fantatra ny tena fandaharam-potoana marina eny amin’ny antenimieram-pirenena. Somary nahagaga ihany ny nahita seza maro tsy nisy olona teny Tsimbazaza omaly kanefa dia efa am-bolana maro no fantatra ny daty hanombohan’ny fivoriana ara-potoana faharoa. Maro be ireo depiote tsy hita popoka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT