Politique

Andrim-panjakana Hatsangana ny Kongresin’ny tetezamita


  • Zoma 17 Septambra 2010

Mihazakazaka ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena. Mihazakazaka manaraka izay koa ny karazana fanapahan-kevitra samihafa na eo anivon’ny mpitondra mahefa izany na ny ivelan’ny fitondrana.

Roso amin’ny ampamoaka goavana ny Ankolafy Telo. Natombok’izy ireo omaly tany Antalaha faritra SAVA tany, teo amin’ny trafikana “bois de rose” dia re koa izao fa hiroso amin’ny fananganana andrim-panjakana koa ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Araka ny resaka mandeha amin’izao fotoana izao dia hatsangana amin’ny alatsinainy 20 septambra ho avy io ny kongresin’ny tetezamita. Niovaova be ihany moa ny anaran’izy ity. Teo am-piandohana dia nantsoina hoe kongresin’ny tetezamita. Rehefa teny Vontovorona indray dia novaina ho Antenimieran’ny tetezamita, izay hisy mpikambana 256. Tsy hijanona eo ny fanendrena fa hitohy amin’ny governemanta. Ity farany izay heverina hatsangana ny alarobia 22 septambra. Nandritra ny ady hevitra tamin’ny haino amanjery nataony niainga avy any Mahajanga ny 25 jolay 2010 dia niteny i Andry Rajoelina fa tsy mety aminy ny fiaraha-mitantana ny tetezamita, ary tsy fotoana fanovana praiministra izany izao. Toa manamafy izany ny nambaran’i Camille Vital tao amin’ny radio Antsiva ny alahady 12 septambra teo, nilaza fa “mivavaka mafy hahatafita ity tetezamita ity”.

Ny lojikan’ireo dia mitazona an’i Camille Vital ho praiministra i Andry Rajoelina. Maro anefa ny zavatra nitranga tamin’ity herinandro ity, raha tsy hilaza afa tsy ny savoritaka nandritra ny fihaonambem-pirenena natao teny Ivato andaniny, ankilany ny fanamarihana nataon’ny teo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny frantsay tamin’ny alalan’i Bernard Valero, mpitondra teny, tamin’ny tsy nandraisan’ny CNOSC anjara tamin’io fihaonambem-pirenena io. Fa ny mavesa-danja ary hanova zavatra maro dia ny taratasy nataon’ny lehiben’ny mpanelanelana iraisam-pirenena notendren’ny Vondrona SADC, Joaquim Chissano, izay nilaza mazava fa sady tsy mankasitraka io fihaonambem-pirenena io ny SADC no tsy manohana fikatsaham-bahaolana mandeha ila ihany koa. Fanontaniana mipetraka eo anatrehan’izay ary ny hoe, hiroso amin’ny fametrahana ireo andrim-panjakan’ny tetezamita neritreretiny hatao ny 20 sy 22 septambra ireo ihany ny ve ny FAT sa hiandry ?

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT