Politique

Andriampotsy distrikan’i Fenoarivobe Manampatra fahefana ny ben’ny tanàna HVM


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Manararao-pahefana ary mampiasa ny toerana azony hanaovana valifaty ny ben’ny tanànan’ny kaominina Andriampotsy, distrika Fenoarivobe, Faritr’i Bongolava.

Horohoroina ao amin’ny sampandraharahan’ny rano sy ala ao Fenoarivobe ny tovolahy iray avy ao Andriampotsy izay nampangainy fa nandoro ny faritra manamorona ny tanimbary voleny. Tena  mampiasa vola sy mandragaranga ny maha olon’ny antokon’ny fitondrana HVM azy amin’izao raharaha izao. Resaka tany lova iombonana izay nafindran’ny rainy tamin’ny renin’ity tovolahy ity fony fahavelony ny anjarany no fototry ny olana ka mahatonga ny valifaty ao anatiny. Mbola nampian’ity ben’ny tanàna ity fiampangana hafa an’ilay tovolahy ho nanolana ny zaobaviny nipetraka tao aminy ny raharaha ka vao mainka nihamafy ny lonilony nisy teo amin’ny roa tonta. Tsy vitan’izay fa velon-taraina amin’ity ben’ny tanànan’Andriampotsy ity koa ny filankevitra kaominaly ao amin’ny kaominina tantanany noho izy ireo tsy to teny mihitsy amin’ny andraikitra sahaniny. Mifandray tendro ary arovan’ireo tompon’andraikitra any an-toerana anefa ingahy ben’ny tanàna, satria HVM, ka tsy hitan’ny filankevitra sy ny fokonolona ny anaovana azy noho ny tany lavitra andriana. Ampahorian’io “maire” io izay tsy mandady aminy ao Andriampotsy.

Rabri


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT