Anisan’ny olona naneho hevitra avy hatrany taorian’ilay fanambarana nataon-dRajoelina ny mpanaraka ny raharaham-pirenena ao Antsirabe.
Ho an’Atoa Andrimampianina dia azo lazaina fa efa ela no niandrasan’ny maro iny fanambarana iny. Azo eritreretina fa mety nisy ny tery vay manta nahazo azy tamin’ny sehatra iraisam-pirenena na ny manodidina azy na ny zava-misy mitranga amin’izao fotoana, no nanery an-dRajoelina tsy hilatsaka. Na izany aza anefa dia misy ambadika politika goavana iny fanambarana iny, hoy Atoa Andriamampianina satria teo izy dia nilaza sahady fa ny fifidianana solombavambahoaka indray aloha izay mivaona sahady amin’ny fifanarahana fa ny filoham-pirenena no atao amin’ny volana mey.
Raha atao indray mijery dia mety mbola hisy ady saritaka amin’ireo mpanara-dia sy nanohana azy amin’ny fisafidianana izay ho kandida hasolo ny toerany. Anisan’ny fihetsika nataon-dRajoelina nanaitra ihany koa dia niantso fifankatiavana sy firaisankina izy, saingy aza adino fa tsy ankolafy Ravalomanana no nantsoiny tamin’iny fa izy samy izy ihany satria aza adino fa nisy ny disadisa teo amin’ireo mpanohana azy teo aloha ka nisintaka taminy, toa an’Atoa Alain Ramaroson, Atoa Ranjivason ...
Ankoatra izay dia tsy mbola mankasitraka sy mitsipaka ny fodian’ny filoha Ravalomanana eto an-toerana iny fanambarany iny ary nohamafisiny tao amin’ny Radio France Internationale omaly fa aleo hilamina ny tany ary vita ny fifidianana vao miverina ny filoha teo aloha. Inona no ataon’ny SADC sy vondrona iraisam-pirenena manoloana izany fa matoa Ravalomanana nanaiky tsy hilatsaka hofidiana dia ny fodiany no tambiny. Tadidio fa raha tsy tafody eto ny filoha Ravaloanana dia tsy hisy fifidianana ho vanonana eto na inona atao ary hitohy hatrany ny olana fa tsy hilamina izany eto.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.