Manoloana ny raharaha isan-karazany mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny dia naneho ny heviny amin’ny maha olom-pirenena azy ny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fampianarana ambony,
Andriamahatsangy lahatra filoha mpanorina ny Mada Jeune izay fantatra amin’ny fikarakarana ny hetsika « Salon des études Sup’ » fanao isan-taona. Tsy mbola mety amintsika loatra ny resaka demokrasia satria ny fiheverantsika azy io amin’ny ankapobeny dia lasa mivaona amin’ny hoe fanaovana izay tiana atao, hoy izy. Raha misy ny fandaminana ny tanàna tiana apetraka eo anivona kaominina iray, ohatra, dia lasa sarotra ny mifanaraka amin’ireo mpivarotra amoron-dalana. Manana ny fahitany ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny koa izy. Nambarany fa feno ny kapoakan’ny mponina eto Madagasikara raha mahita ny zava-misy any Maroantsetra, izany hoe resaka fisamborana mpandraharaha iray an-toerana na fanendrikendrehana. Midika ho tsy fahatokisan’ireo mponina ny mpitondra intsony, hoy izy, ny tranga tahaka io ary efa saika feno tranga toy io manerana an’i Madagasikara.
Mirija
Légende : Andriamahatsangy Lahatra
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.