Politique

Andriamahasoro Andry Diso fananatenana ny Malagasy


  • Talata 21 Jona 2011

Vahinin’ny Tia Tanindrazana i Andriamahasoro Andry, manampahaizana manokana amin’ny fitantanana sy toekarena. Nianatra tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina ary nanohy fianarana tany amin’ny Oniversiten’i Parisy, tao amin’ny Académie de Versailles. Niasa nandritry ny folo taona tany ivelany. Filohan’ny fikambanana Sangany ao Anôsy, ary miasa amin’ny sampandraharaha iray ao Tolagnaro. Tafatafa.

 Tia Tanindrazana (T.T) :Teknisianina ianao sady mpanaraka politika, ny fahitanao ny raharaham-pirenena taorian’ny 2009 ?

Andriamahasoro Andry  (A.A) : Marina aloha fa ilaina ny fanovana, nefa toa nivaona tanteraka tamin’ny tanjona. Ny takiana tamin’ny 2009 dia ny fanovana ho amin’ny tsaratsara kokoa, nefa toa vao mainka loza. Tantely afa-drakotra ny fananam-pirenena. Jereo fa ireo minisitra sy ny CST ny CT ary lehiben’ny Faritra no mibahana ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Raha vao maneho hevitra mifanohitra amin-dry zareo dia amoronana dosie. Amiko dia toa vao miha nampahantra ny vahoaka ny zava-misy iainana amin’izao. Diso fanantenana ny Gasy.

 

T.T : Lazaina fa governemanta iraisana io tarihin’ny Jeneraly Camille Vital io. Miombon-kevitra amin’ireo mivoy izany ve ianao ?

A.A : Tsia avy hatrany no valiny. Amiko raha ireo filoha telo lahy ireo no nanolotra ny anaran’ireo minisitra nampidirina ao amin’ny governemanta ankehitriny io, ary nosoniaviny, dia marina ny filazana fa firaisam-pirenena tokoa io ekipa tarihin’ny Praiminisitra Camille Vital io. Resaka tiana hatao fotsiny ny akoatra izany.

 

T.T : Tsy manaiky ilay fanapahan-kevitry ny SADC nivoaka tatsy Sandton-Afrika Atsimo ny ekipan’ny FAT, ny fahitanao io tranga io ?

A.A. : Tsy manana fandavan-tena hamahana izao krizy izao ingahy Andry Rajoelina. Misy amin’ny olombelona ny hambom-po kanefa tokony mba hapetraky ny mpitondra sy ny mpanao politika amin’ny toerana tokony hisy azy izany. Mahakasika ireo miaramila, dia hita mibaribary fa tena miditra amin’ny resaka politika na koa lasa fitaovana politikan’ny mpitondra izy ireo.

 

T.T : Ny soso-kevitrao ?

A.A : Tsy afaka hiolonolona irery eto Madagasikara isika na dia Nosy aza. Mampiditra ny firenena amin’ny kizo ny filazana fa tsy ilaina ny SADC, ny Vondrona iraisam-pirenena, ny mpamatsy vola iraisam-pirenena. Raha tsy mbola voavaha ny olana dia aleo ireo miaramila tsy manao politika, miaraka amin’ny administratera sivily sy ny mpiasan’ny fitsarana no hitondra ny tetezamita. Ny fianakaviambe iraisam-pirenena kosa no hiandraikitra manontolo ny fifidianana, ka tsy itsabahan’ny fitondrana tetezamita. Izay lany eo, tsy maintsy eken’ny rehetra.

 

T.T : Manankarena i Taolagnaro, inona no mahatratra aoriana ity Distrika ity ?

A.A : Ny lesoka dia tsy haintsika ny mitrandraka ny otrikarena ananantsika, hany ka olom-bitsy sy teratany vahiny no mahazo laka. Ankoatra izay, heveriko fa zava-dehibe raha vita ny lalana mampifandray ny Faritra Ihorombe-Androy-Anôsy sy Atsimo Andrefana, izay politikan’ny fitondrana teo aloha. Na izany aza manam-pinoana aho fa ho lasa lavitra miohatra amin’ny faritra hafa i Anôsy.

 

Nangonin’i ROM

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT