Naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny, nandritra ilay atrikasa Tolona fanorenana ifotony tetsy Ambatoroka, ny mpanao politika eo anivon’ity hetsika ity, André Rasolofo omaly.
Fotoana izao, hoy ny tenany, hampitambarana ny Malagasy mba tsy hifanome tsiny intsony fa hanohy izay tsy vitan’ny teo aloha. Ny olana teto dia izay rehetra tonga eo amin’ny fitondrana dia efa ao anatin’izany hatrany vao manontany hoe inona no tokony hatao ? Ampy izay, hoy izy, ny valalabemandry fa fotoana izao tokony haha valalabe mifoha amin’izay mba hisorohana ny toy izany ka manainga ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba hiara-hientana amin’ny fanorenana ifotony an’i Madagasikara.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.