Tsy andrenesam-peo intsony na ny tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny mpitandro filaminana, na ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, na ny filoham-pirenena sady filoha faratampon’ny foloalindahy manoloana ilay loza tsy roa aman-tany nitranga tany Befandriana Avaratra.
Ny minisitry ny filaminana anatiny Anandra Norbert no hany niteny sy nanadio tena fa tsy ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena no nandoro ny tanàna miisa 4, ka nahamay ny trano miisa 507 tany an-toerana. Vehivavy adala iray sy ny tompon-tanàna indray no notondroina ho tompon’antoka tamin’iny fahamaizan’ireo tanàna 4 samihafa. Nanizingizina kosa ny mponina tany an-toerana sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny, eny hatramin’ny mpitondra fivavahana aza fa ny polisim-pirenena no tompon’antoka. Tsy misy intsony fanazavana fanampiny na fialan-tsiny avy amin’ny polisim-pirenena fa toa nisitri-belona ary tsy te hiresaka momba ity raharaha ity intsony ireo tompon’andraikitra.
Miakatra fitsarana
Tsy tokony ho vitavita ho azy anefa na hoe alamina amin'ny raharaham-pihavanana an-tery ny tranga tahaka izao fa mandalo fanadihadiana lalina ary alefa eny amin'ny fitsarana.Ka na ireo olona nambara fa nanao fitsaram-bahoaka, na ireo polisy ahiana fa nanao herisetra sy nandoro tanana dia samy mandalo fitsarana avokoa, ao ihany no hahafantarana izay tena marina.Savorovoro nahafatesana olona, naharavana tanana ary miteraka fikorotanam-piarahamonina tahaka ity tany Befandriana avaratra ity ve dia sanatria hampanginina indray ?Raha ny tokony ho izy aza dia hadihadian'ny fitsarana mihitsy ny minisitry ny filaminana anatiny Anandra Norbert ny amin'ny toromarika sy baiko marina nomena ireo polisy nalefa tany Befandriana Avaratra, nandefa tatitra ara-dalana tamin'ny asa nataony ve izy ireo sa nanao izay tiany tany fotsiny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.