Politique

Anandra Norbert Nesorina tamin’ny toerany


  • Zoma 03 Martsa 2017

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra manokana natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly ny fanalana ny minisitry ny filaminana anatiny Anandra Norbert.

 Nasolo azy kosa i Mamy Jean-Jacques Andrianisa, Talen’ny sampam-pitsikolovana ankapobeny (RG), eo anivon’ny polisim-pirenena. Antony goavana nanalana azy ny raharaha fitsaram-bahoaka sy fandoroana tanàna tany Befandriana Avaratra. Niteraka resabe teto amin’ny firenena ny fanehoan-kevitra sy ny tatitra nataon’ity minisitra ity, satria tsy nisy afa tsy ny nanadio tena sy niala andraikitra tamin’ny zava-doza tsy roa aman-tany niseho tany no nataony. Nambarany fa tsy tompon’antoka tamin’ny fandoroana tanàna ny polisim-pirenena. Vehivavy adala iray sy ny mponina tompon-tanàna indray no notondroina ho tompon’antoka. Nodisoin’ny manampahefana isan-tsokajiny tany an-toerana anefa ny tatitra nataon’ingahy minisitra. Ny minisitry ny filaminam-bahoaka indray no nanely vaovao nanohintohina ny filaminana, ary ny tena loza dia tsy nisy ny fanitsiana na fialan-tsiny fa nisitri-belona ity minisitra ity. Matoa tonga amin’ny fanalana azy ny raharaha, dia tafiditra amin’ny olona tompon’antoka tamin’ny zava-doza izy na tsy mivantana aza, ka tokony hohadihadiana. Teo am-pahatongavana avy any ampitan-dranomasina ny talata hariva teo, dia nanakiana mafy an’i Anandra Norbert ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, ka nilaza fa tokony ho nohamarinina ny vaovao navoaka fa tsy tsara ny milaza atsanga tsy aman'orana toy ireny. Efa in-droa misesy izay isika teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana no niresaka fa tokony hametra-pialana ireo tompon’andraikitra ambony misahana ny fitandroana ny filaminana eto amin’ny firenana manoloana izao tsy fahafehezana ny fandriampahalemana izao. Tsy nisy anefa izany, ary ny tena loza dia tsy nisy nandrenesam-peo izy ireo. Efa nisy aloha ny dingana tamin’ny fanalana ny tompon’andraikitra iray, saingy tsy tokony hodiana tsy hita fa samy tompon’andraikitra tsy nahefa ny adidiny avokoa ireo lehibe miisa 3, dia ny avy amin’ny fiarovam-pirenena, ny zandarimaria ary ny filaminana anatiny.


 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT