Nisehoana savorovoro indray teny Analakely omaly hariva. Tonga nanao fandaminana teny ny polisy mpandamina ny tsena.
Toy ny fanao mahazatra dia misy ny fanalana ireo olona mivarotra amoron-dalana izay minia mandika lalàna saingy miezaka manohitra ireo mpitandro ny filaminana hatrany izy ireo. Vehivavy bevohoka iray voalaza fa vadina miaramila amina toby iray eto Antananarivo no anisan’ny tsy nanaiky ary nilaza fa voadona nandritra ny fifanjevoana. Vokany, nisy miaramila avy amina toby iray niditra an-tsehatra tamin’ny raharaha ary nifamaly tamin’ireo polisy monisipaly nanao ny asany. Nitaky ny hamoahana ilay na ireo polisy monisipaly voalaza fa nikasi-tanana vadina miaramila izy ireo; omaly hariva ihany dia nirosoana ny fifampidinihana teo amin’ny manamboninahitra jeneraly lehibena toby iray eny Ivato sy ny Kaominina ary ny avy ao amin’ny Emmo reg mba hikarohana ny vahaolana.Ny Commissaire Central no mitarika ny fifampiraharahana.
Fanakorontanana
Tetsy an-kilany, nisy andian’olona milaza ho mpiaro ny zon’ny mpanjifa niandry an-kendry tohana ny zava-nisy ka nitangorona nanoloana ny lapan’ny tanàna ary efa nivonona tamina vato sy tapa-biriky. Ny fahitana azy dia mpikaramanady sy mpanakorontana manao fihetsika milisy mihitsy aza, ary efa vonona hanimba zavatra ireo nitangorongorona ireo ary efa niomana tokoa hanapotika sy higafy ny fitaovan’ny kaominina. Notorahan’izy ireo ary potika avokoa ny ankamaroan’ireo fiara nandritra io fotoana io. Fanakorontanana niniana natao no nitranga raha dinihina ny zava-misy, ka ireo milaza ho miaro ny zon’ny mpanjifa izay efa hita matetika amina hetsika mamoafady toy izao no nitarika izany. Natao mihitsy izay handrangitana ny polisy monisipaly mba hahafahana mamorona gidragidra sy fanapotehan-javatra ary voalaza fa misy mpaniraka sy mpanakarama mihitsy ireto mpanakorontana. Efa fantapantatra avokoa ireo mpitarika ary misokatra ny fanadihadiana amin’ny mety hisamborana azy ireo. Dia sanatria ve ho potehina indray ny lapan’ny tanàna, ary tena tsy mivoatra mihitsy ve ilay toe-tsaina tia manimba ny fananana iombonana ?
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.