Nitohy teny Ampitatafika, Antananarivo Atsimondrano omaly ny fanetsehana ireo mpikambana fototra eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara.
Mpikambana maro avy amin’ny birao politikan’ity antoko naorin’Atoa Marc Ravalomanana ity, notarihin’ny Senateran’i Bongolava teo aloha, Ravatomanga Roland, no tonga teny an-toerana. Feno hipoka ny efitrano malalaka fandraisana lanonana iray eo Antanimenakely nampiantrano ity fihaonana politika ity. Noporofoin’ny Tiako I Madagasikara fa antoko miaina ary matanjaka izy, ary mandray anjara amin’ny fiainam-pirenena, indrindra ny famerenana ny ara-dalàna sy ny fanajana ny demokrasia eto Madagasikara.
Nisy ny fampitam-baovao mikasika ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, indrindra ny famahana ny krizy nataon’ireo mpitarika. Voaresaka tamin’izany ny fahatongavan’ny iraky ny Fitsarana iraisam-pirenena (CPI) eto hatramin’ny alatsinainy teo, manomboka ny fanadihadiana mikasika ny “Raharaha 7 febroary 2009”. Nitohy tamin’ny fanentanana ireo mpikambana eny ifotony, hiomana amin’ny fiverenan’ny filoha mpanorina ny antoko sady filoham-pirenena, an-tanindrazana sy ny hamerenana azy eo amin’ny fitondrana koa ny fihaonana. Tsikaritra tamin’io fa dia manomboka mipoitra ary miverina manatevina ny Tiako I Madagasikara ireo mpikambana nisabaka ara-potokevitra nanao fitan-droa tao anatin’izao krizy izao.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.