Nanao fihaonana sy fampahafantarana ny momba ny antoko «Ampela manao politika» na AMP sy ny fijoroan’izany ao Toamasina, ny birao politikan’ny antoko notarihan’ny filohany Dr Rasamoelina Brigitte sy ny Sekretera jeneraly nasionaly, Reveloarisoa Olga.
Tao amin’ny efitrano malalaky ny CAPR no nanaovana ny fihaonana sy ny fanazavan-kevitra rehetra. Tafapetraka sy nampahafantarina ny alarobia maraina teo ny fijoroan’ity antoko AMP ity eo anivon’ny faritanin’i Toamasina teo aloha. Ny Dr Razafindrafara Georgette no mpandrindram-paritra izany. «Iray ao anatin’ny fahasamihafana» no teny filamatry ny antoko Ampela Manao Politika , ka ny fanajana ny zon’olombelona sy ny zon’ny vehivavy sy ny ankizy ary ny fametrahana ny demokrasia marina amin’ny fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena tsirairay no foto-kevitra ijoroany. Ny tanjona dia ny fampandraisana andraikitra amin’izay ny vehivavy malagasy eo anivon’ny fitantanana ny firenena sy ny toerana fanampahan-kevitra rehetra, na olom-boafidy izany na ireo olom-boatendry, eto amin’ny firenena. Nambaran’ny filohan’ny AMP, Dr Rasamoelina Brigitte fa «anisan’ny nanao sonia ny sata manokan’ny vehivavy amin’ny fandraisana andraikitra ara-politika sy eo anivon’ny fanampahan-kevitra ho fampandrosoana ny firenena ny Malagasy. Tsy maintsy ny 30%-n’ny vehivavy no ao anatin’izany ny taona 2012, ho 50% kosa izany ny taona 2015».
Nohazavain’ireo birao politikan’ny AMP ireo koa anefa fa «tsy fanilihana ny lehilahy ny fananganana ny antoko fa ny fahatsapana kosa fa manana adidy tahaka ny olom-pirenena rehetra ny vehivavy eo amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy ho to anefa ny fanatontosana ny hetahetanay vehivavy izay izahay ihany no nahalalana ny tena filanay, raha tsy tafiditra eo amin’ny fandraisana andraikitra izahay». Hentitra ny AMP nilaza tamin’ireo ampela namany tao Toamasina fa «50 taona tsy nahavita nampandroso an’i Madagasikara ny lehilahy, izay variana tamin’ny politika politisiana fotsiny ka nanimba ny tena filozofian’ny politika, nahatonga ny fomba fiteny ‘adilahy politika’. Fotoana izao handraisantsika vehivavy an-tanana ny hoavin’ny taranatsika sy ny firenena malagasy » ka ao anatin’ny fitiavana, ny fanovana ary fifanampiana no hanaovana izany, hoy ny AMP. Ny foto-kevitra entina amin’izany dia ny hisian’ny fampandrosoana miralenta ho an’ny daholobe ao anatin’ny tany tsara tantana sy ny tany tan-dalàna». Ankoatra izay dia nambaran’ireto Ampela Manao Politika ireto koa fa na iray aza tsy misy vehivavy ny lehiben’ny Faritra 22 ankehitriny raha mba nisy roa izany teo aloha, ny minisitera no misy 5 ; ireo parlemantera izay mba nisy vehivavy eo amin’ny 10% mpanapa-kevitra kosa dia noravana ka vao mainka tampina ny andraikitra tokony horaisiny. Efa tafatsangana avokoa ny birao iraisam-paritra ao Antananarivo, Fianarantsoa, Toliara ary Toamasina ; hatsangana tsy ho ela kosa ny ao Mahajanga sy Antsiranana ary ny eo anivon’ny faritra 22 sy ny distrika 117. Vonona ny hiroso amin’izao fandraisana andraikitra rehetra mitranga eto amin’ny firenena ny AMP ary tsy hanaiky hailika intsony fa haka ny toerany amin’ny maha olom-pirenena azy ireto Ampela Manao Politika eto Madagasikara ireto.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.