Politique

Ampela Manao Politika Hitady mpanohana vahiny


  • Zoma 08 Jolay 2011

Antoko niorina tato anatin’izao tetezamita izao ny Ampela Manao Politika tarihan’ny filohany, Rasamoelina Brigitte izay sady filoha lefitry ny Kongresin’ny Tetezamita.

 Fampitomboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy amin’ny sehatry ny politika fa tsy atao mpitehaka fotsiny rehefa misy lanonana no tanjon’ny antoko saingy tsy manakana ny fidiran’ny lehilahy ho mpikambana izany, hoy ny filohany. Manandanja lehibe ho an’ny Ampela Manao Politika ny fanofanana ireo mpikambana momba ny tontolon’ny politika ho fanomanana azy ireo amin’ny andraikitra hosahaniny amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tari-dalana momba ny politika no natao ankoatra ny fanabeazana maha olom-banonana ary ny fahaiza-mitarika ka tanora miisa 28 no nanaraka izany. Andiany voalohany izy ireo saingy atsy ho atsy dia hivoaka koa ny andiany manaraka any Mahajanga sy Toliara raha ny fanazavan-dRasamoelina Brigitte. Marihina fa misy mpikambana roa ao amin’ity antoko ity koa nanaraka ny fiofanana nomen’ny Fredrich Ebert Stiftung momba ny politika. Adihevitra malalaka niarahan’ny mpitantana ny Ampela Manao Politika tamin’ireo mpiofan’ny Fredrich Ebert Stiftung no namarana ny fotoana omaly izay nanazavan-dRasamoelina Brigitte fa faharesen-dahatra no nananganany ny antoko fa tsy misy ifandraisany amin’ny zava-misy eran-tany ankehitriny voamariky ny fahamaroan’ny vehivavy mitana andraikitra ambony. Nambarany koa fa ny latsakemboky ny mpikambana sy ny fanohanan’ny vadiny izay mpandraharaha no fidiram-bolan’ny antoko. «Tsy manana mpanambola vahiny manohana izahay hatramin’izay fa hitady izany amin’izay izao», hoy izy.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT