Manameloka ny tsy fanajana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna ny Fiombonambenny Ampanjaka eto Madagasikara.
Mankasitraka ny fandraisana andraikitra ataon’ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) sy ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara) ho fampanjakana ny fahamarinana sy ho famerenana ny tany tan-dalàna ihany koa ny fikambanana, hoy ny fanambarana nivoaka ny 25 aprily 2017 lasa teo. Tokony hotsaraina sy hosaziana avokoa ireo filohan’ny Repoblika, praiminisitra, minisitra na mpiasam-panjakana ambony nangalatra, nanao kolikoly, tsy nanaja zon’olombelona, nandika lalàmpanorenana, nampanao hala-bato tamin’ny fifidianana, namono olona, nanao heloha bevava tamin’ny vahoaka sivily, nivarotra tanindrazana, namoaka an-tsokosoko sy nanao varo-boba ny harem-pirenena ho an’ny vahiny, nampahantra vahoaka, nanota fady, tsy nanaja soatoavina Malagasy, nandoro rova na koa nandoro fasana mpanjaka, araka ny fanehoan-kevitra navoakan’ity fikambanana ity. Mitaky fanapahan-kevitra hentitra tsy ahafahan’ireo olo-meloka manao raharaham-pitondrana intsony eto amin’ny tany sy ny firenena moa ny Fiombonamben’ny Ampanjaka eto Madagasikara.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.