Politique

Amoron’i Mania Miady an-trano ny HVM


  • Zoma 17 Febroary 2017

Mitsingilahila ny toeran’ny lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania. Mahoraka ao Ambositra renivohitry ny faritra tato anatin’ny herinandro teo izay fa misy mikononkonona hanala amin’ny toerany ny Administratera sivily Rakotomanankiafarana Tsimihonoraibe Joël, lehiben’ny Faritra am-perinasa, ary avy ao amin’ny HVM ihany no miketrika izany.

Sekretera jeneralin’ny faritra teo aloha Rakotomanankiafarana Tsimihonoraibe Joël no lasa lehiben’ny faritra. Lehibem-pikambanana ara-piaviana ao anatin’ny faritra no voalaza fa atosiky ny HVM hasolo azy, noho ireto farany voalaza fa matanjaka ara-bola, hanomanana ny fifidianana amin’ny 2018. Kaominina miisa 61 no mandrafitra ny Faritra Amoron’i Mania, ahitana fokontany miisa 788.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT