Raha resaka an-dalatsara no nahafantarana azy taloha, dia nataon’ny jeneraly Dolin Rasolosoa kabary ankalamanjana izany nandritra ny tsenabe Fihaonana natao tao Ambositra, herinandro lasa teo izay. Raha hetsika ara-toekarena ny foara dia lasa kabary politika tamin’io. Nanaitra ny rehetra ny tenin’ny jeneraly Dolin, filoha lefitry ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, tamin’io fanokafana io tsenabe Fihaonana io, nilaza fa “henohenonay fa hosoloina ny Lehiben’ny Faritra, koa miantso anareo mpitondra Fanjakana mba tsy hokitihina ny Lehiben’ny Faritra”. Ny mpisolovava Maminirina Josoa Eugène no lehiben’ny Faritra Amoron’i Mania. Anisan’ireo valo lahy voalohany, notendren’ny FAT ho lehiben’ny Faritra ny alahady 19 aprily 2009 araka ny didim-panjakana laharana 2009-430, izy. Hatramin’izay herintaona sy tapany nitondrany izay anefa dia tsy nitsahatra nivakivaky be ihany ny fiarahamonina politika sy sosialy tao Amoron’i Mania, indrindra ny ao Ambositra, ary dia marisarisa mihitsy izany ankehitriny. Mijoro ho mpiaro an’ity Lehiben’ny Faritra ity anefa ny jeneraly Dolin Rasolosoa, koa aza izay ambadik’izany rehetra izany, hoy ny mpanao politika iray sendra ny Tia Tanindrazana tao Ambositra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.