Raha vao avy tankina tamin’ny fanambaran-dRajoelina fa tsy hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ireo mpomba azy dia hita ho mikoropaka indray izy ireo ankehitriny eo anatrehan’ny fanambaran’ny SADC nivoaka ny alarobia teo manainga ny Parlemantan’ny tetezamita (CT sy CST) mba handany ny lalŕna momba ny famotsoran-keloka homena ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ary ny mpitandro filaminana.
Io fanambarana io mantsy dia maneho fa na inona na inona filaza sy ambara etsy sy eroa, dia nanota fady ary olo-meloka eo anatrehan’izao tontolo izao i Andry Rajoelina, ary dia fahafaham-baraka ihany koa ho an’ny fitsarana Malagasy izay minia mikipy amin’izany hatramin’izay.
Tsy mahagaga raha mikoropaka ireo mpanao politika mpomba an-dRajoelina ankehitriny, toa an’i Lahiniriko Jean, mpikambana ao amin’ny CST, ka milaza fa tsy dia mankasitraka loatra ilay fanambaran’ny SADC. Efa voadinikay tao amin’ny Parlemanta ary efa lany ny lalàna momba ny famotsoran-keloka, hoy i Lahiniriko Jean, didy fampiharana avy any amin’ny governemanta sisa andrasana dia vita ny resaka. Tsy tokony hisy antony hamerenana ny fandinihana izany famotsoran-keloka izany intsony eny amin’ny Parlemanta satria efa nahavita ny asanay izahay, hoy izy.
Tsoa-kevitra avy any amin’ireo karazana dinika sy fihaonambem-pirenena, niampy izay soso-kevitry ny mpikambana CT sy CST no nahafahana nandrafitra ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka ka noho izany azo ambara fa hetahetan’ny vahoaka Malagasy ilay izy, hoy i Lahiniriko Jean. Amin’ity farany dia sarotsarotra ihany ny mbola hiverenan’ny fandaniana volavolan-dalàna vaovao momba ny famotsoran-keloka, araka ny toromarika avy amin’ny SADC. Ao anatin’ny vondrona UDR-C manohana ny filohan’ny tetezamita moa no misy an’i Lahiniriko Jean, ary efa azo sary an-tsaina fa mitovy amin’io nambaran’io ny hevitry ny ankamaroan’ireo mpanao politika ao anatin’io vondrona io, izay maro an’isa ao amin’ny CT sy ny CST, ka asa indray izay mbola ho sangodim-panina politika momba ity famotsoran-keleoka ho an’Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana ary ny foloalindahy ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.