Politique

Amiraly Ratsiraka “Tsy hamelako io”


  • Alatsinainy 23 Aogositra 2010

Omaly alahady 22 aogositra dia nisy fihaonana teo amin’ireo mpiara-dia ao amin’ny Ankolafy Telo eo anivon’ny Boriborintany faha-5. Tao amin’ny Villa Elisabeth Ivandry no nanaovana ny fihaonana.

Voasolo tena tao avokoa ireo firehana telo ka anisan’ny nisongadina tamin’izy ireo ny hafatry ny Amiraly Ratsiraka nampitain’ny iray tamin’ireo mpiara-dia aminy. Ny sabotsy lasa teo manko, araka ny fanazavan’ity mpitondra teny, dia niantso an-tariby ny mpikambana iray avy ao aminy i “Deba”. Tamin’izany no nilazan’ity farany fa “taitra aho ary hitolona ka tsy hamelako io”, hoy ny amiraly. Araka izany dia hafatra manokana no azon’ny ankolafy Ratsiraka amin’izao tolona hamerenana ny ara-dalàna eto amintsika izao ary dia handray anjara bebe kokoa ny ankolafy. Ireo tsy matotra eo anivon’ny ankolafy Madagasikara no tambazan’ny FAT hiara-dia aminy. Hafatra moa no nampitain’i Constant Raveloson fa tsy tokony hanao mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no aringana. Nampirisika ireo vahoakan’ny boriborintany faha-5 kosa i Mektoub El Camille ny amin’ny tokony hahatongavana mandrakariva amina fihaonana toy izao satria tsy fantatra izay havoaky ny ampitso, hoy izy.  

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT