Politique

Amiraly Ratsiraka Ho avy amin’ny zoma


  • Talata 16 Novambra 2010

“Hampahafantariny dimy andro mialoha ny hahatongavany ny fiverenan’ny filoha Ratsiraka indray an-tanindrazana”, hoy Ramisandrazana toarian’ny nahatongavan’i Tantely Andrianarivo.

Raha nanontaniana ity mpanao politika, mpikatroka Arema ity omaly dia nilaza fa alohan’ny sabotsy izao no hahagongavan’i Deba. Toa manaporofo izany ny fisian’ny dokambarotra mandeha amin’ny fahitalavitra eto an-drenivohitra, milaza fa “Tsy ho ela ...”. Ny Pr Ranjeva Raymond raha nitafa tamin’ny mpanao gazety dia nanamafy ny fanirian’ny amiraly hiverina an-tanindrazana, na tsy nanambara fotoana aza. In-droa nihaona tany Frantsa rahateo ny roa tonta, tato anatin’ny iray volana teo, nidinika ny amin’ny raharaham-pirenena. Ny loharanom-baovao hafa anefa no namaritra mazava fa ny zoma 19 novambra izao ny amiraly Ratsiraka no hitodi-doha an-tanindrazana. Araka ny fantatra aza tokony ho niditra mivantana niteny tamina fahitalavitra tsy miankina iray teto an-drenivohitra ny amiraly omaly nanambarany io fiverenany io.

Tsy mankato ny hanatanterahana io referandaoma io ny tenany, ary nanao antso avo tamin’i Andry Rajoelina sy i Camille Vital mihitsy mba hampiatoana izany, satria “hampisara-bazana ny Malagasy” araka ny filazany. Tsy misy mahalala izay havoaky ny ampitso moa, na dia efa somokotra mafy hanatanteraka izany fifidianana izany ny FAT. Raha niteny tamin’ny antso an-tariby tao amin’ny fahitalavitra TV Plus ny tenany ny takarivan’ny zoma 01 oktobra 2010, mialoha indrindra ny nisokafan’ny fampielezan-kevitra momba ny lalàmpanorenana dia nilaza ny filoha Ratsiraka fa manana vahaolana roa na telo azo antoka sady mahomby azo aroso hamaranana tsy misy raorao ny krizy izy, saingy miandry azy tafaverina any an-tanindrazana no hanazavany izany. Inona no hambarany eo am-pahatongavana ? Eo isika mahita izy, fa dia tonga izany ny lera … rehefa avy nanao sesitany ny tenany nandritra ny valo taona tany Frantsa tany i Deba. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT