Politique

Amiraly Ratsiraka Hamonjy ny fampihaonana hataon’ny FFKM ?


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Marc Ravalomanana tsy tonga, ny Amiraly Ratsiraka tsy tafaverina no vokatra nomen’ny taona 2012 ho an’ireo sesitany politika ngezalahy roa ireo.

 Samy filoham-pirenena voafidim-bahoaka izy ireo. Raha fifanolanana noho ny voka-pifidianana nifandroritana no nanapahan’ny Amiraly Ratsiraka hiala an-tanindrazana tamin’ny 2002 ka nanaovany sesitany ny tenany tany Frantsa dia tratry ny fanonganam-panjakana kosa i Marc Ravalomanana ary voatery nialokaloka politika atsy Afrika Atsimo, hatramin’ny martsa 2009. In-droa nanandrana hiverina an-tanindrazana ity farany tamin’ny janoary 2011 sy febroary 2012 saingy tsy mbola tanteraka izany.

Efa tonga teto kosa ny Amiraly ny 24 novambra 2011, rehefa sesitany politika nandritra ny sivy taona ny tenany saingy tsy naharitra iray volana, tsy nahandry faran’ny taona akory, dia lasa. Raha ny filazan’ireo akaiky azy dia amin’io volana janoary 2013 izy no hitodi-doha an-tanindrazana. Tsy anisan’ireo nanao sonia ny tondrozotra ny ankolafy tarihiny, fa mitaky hatrany kosa ny hisian’ny fihaonan’ny efa-tonta, na ilay “conférence au sommet” ary miantso ny FFKM handray an-tanana ny fanatanterahana izany. Miroso ny FFKM ankehitriny ary mihevitra ny hampihaona an-databatra boribory ireo mpifanandrina politika fototry ny krizy, ka mety ho izay no naha tapa-kevitra ny Amiraly hiverina izao, raha tsy misy fiovana indray.

Nangonin’i Britto

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT