Tafatsangana ny alahady 9 aprily teo teny an-toerana ny COM TIM Ambohimanambola ka lany filoha Atoa Razanamaro Désiré fantatry ny maro amin’ny solonanarana Radezy.
Voafidy niaraka taminy tamin’io koa ireo mpikambana ao amin’ny birao hiara-kiasa aminy toy ny filoha lefitra, mpanolotsaina, sekretera jeneraly, ireo mpitantsoratra, ny filohan’ny vehivavy TIM sy ny filohan’ny Tanora TIM Ambohimanambola. Nanotrona ny lanonana ny biraon’ny DisTIM Avaradrano sy ny Depiote Gerry Randriambolaina mivady. Olona efa fantatry ny rehetra eo anivon’ny antoko TIM avokoa ireo rehetra voatonona ireo. Nohamafisina tamin’io fa ity depiote ity irery sisa no avy eny Avaradrano amin’ny anaran’ny TIM fa efa niala tanteraka niova loko ny depiote Benjamin Andriamintantsoa niaraka taminy fahiny ary tsy manana alalana hitonona ho TIM intsony sy hanao zavatra amin’ny alalan’ny antoko.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.