Politique

Ambohijatovo Nipoaka ny lakrimozena, nisy ny voasambotra


  • Zoma 09 Aprily 2010

Tamin’ny 11 ora antoandro no nifamotoana teny amin’ny kianjan’ny demokrasia ireo mpitolona mitaky ny fampiharana ny satan’i Maputo sy Addis Abeba.

Hatramin’ny ora voatondro aloha dia tsy hita teny an-toerana ireo mpitari-tolona ary tsy mbola nanomboka koa ny fotoana. Efa tany amin’ny roa ora tany ho any vao nisy mpitarika iray tonga teny an-toerana ary dia nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo vahoaka sy ireo mpitandro ny filaminana. Rehefa vita izany dia samy nanao izay hahatafidirany tao amin’ny kianjan’ny demokrasia ny rehetra. Fotoam-bavaka no nifanarahana fa tsy asiana kabary politika. Rehefa avy eo anefa dia nohidian’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny fanalahidy ny kianja ka dia lasa nivoaka tsikelikely ireo vahoaka ka nanemitra ny tety ivelan’ny kianjan’ny Demokrasia. Araka izany dia tsy afaka naneho ny heviny na ireo avy amin’ny ankolafy 3, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy teny Ambohijatovo na ireo notarihin’i Ambroise Ravonison, izay tonga teny an-toerana. Mpitandro ny filaminana no nanemitra an’Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mey. Efa harivariva, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany tany ho any aza dia nipoaka ny baomba mandatsa-dranomaso. Tsy teny Ambohijatovo ihany fa hatreny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Ankoatra ny baomba anefa, dia nisy koa ny fisamborana raim-pianakaviana iray mpitolona. Niparitaka ireo vahoaka noho izany ary dia nangadihady Ambohijatovo. Araka ny vaovao moa dia mbola hitohy ny hetsika anio. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT