Politique

Ambodiatafana May ny tranon’ny Amiraly Ratsiraka


  • Talata 29 Jona 2010

Araka ny fantatra avy any Toamasina dia nahitana fahamaizana ny tranon’ny filoha Didier Ratsiraka ao Ambodiatafana Toamasina II. Omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro no naharay ny fampandrenesana ny loza ny tao Toamasina.

Misy trano maromaro ao amin’ity toerana ity, fa ny trano lehibe mihitsy no nisy firehetana. Ny ao amin’ny efitra fandraisam-bahiny no voalaza fa tena voa mafy satria may avokoa ny valitafo manodidina ny 30 santimetatra eo ho eo. Araka ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny zandarimarim-pirenena dia “niezaka nijery izany ireo miaramila roalahy izay mpiambina tao ka niakatra tany amin’ny valin-drihana, izay toerana niavian’ny setroka, ary niaraka tamin’ny kifafa sy ravin-kazo izy ireo tamin’izany. Tsy naharitra ela dia maty ny afo ary tsy nisy ny hain-trano fa ireo mpamonjy voina nafarana avy any Toamasina aza niverim-potsiny fa efa maty ny afo vao tonga izy ireo”. Ny loharanom-baovao avy ao Toamasina indray no milaza fa nalefa namono afo avy hatrany ny fiaraben’ny Kaominina tao Toamasina I, nalefa nanampy tosika ihany koa ny an’ny tetikasa Ambatovy sy ny an’ny Port. Tonga aloha tany an-toerana ny fiaraben’ny Kaominina ka nalaky voafehy ny afo.

Mikasika ny antony nahamay ity trano ity kosa dia tsy mbola fantatra hatramin’izao na ho antony ara-politika na ho antony hafa. Misy mpiambina mantsy ny tanàna, ary tsy mba olon-tsotra fa miaramila. Tsy misy jiro rahateo ao, ka tsy ho avy amin’ny herinaratra velively no niavian’ny loza.
Rehefa nitsefotra ny diniky ny efa-tonta tany Pretoria dia nitafa tamin’ny mpanao gazety ny Amiraly ny 30 aprily 2010, tamin’izay no namakiany bantsilana fa tsy tanterak’i Andry Rajoelina ny zavatra nifanarahany taminy toy ny hanamboarana ny tranon’ny Amiraly Ratsiraka ao Mangarivotra Faravohitra sy ity ao Ambodiatafana ity, saingy na diam-pantsika iray aza tsy vitan’i Andry Rajoelina raha ny filazan’ny filoha Ratsiraka tamin’ny mpanao gazety tamin’izay.
Ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina moa no miandraikitra ny fanadihadiana ity fahamaizana tao Ambodiatafana ity. Ho hita eo ihany ny tohiny.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT