Mitohy hatrany ny hetsi-pitolomana ataon’ny ekipan’ny VOT (Vondron’Olon-tsotra Manohana an’Atoa Marc Ravalomanana sy Mitaky ny Ara-dalŕna).
Tao an-drenivohi-paritra Alaotra Mangoro izy ireo ny herinandro lasa teo no nanamarika niaraka tamin’ny vahoakan’Ambatondrazaka ny tsingerintaona naterahan’ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny Akany FJKM Ambatondrazaka tampon-tanàna ny 12 desambra. Niditra nivantana an-telefaonina nampita vaovao sy nanome fanazavana mikasika ny raharaham-pirenena, indrindra momba ny fanambarana nataony fa tsy hirotsaka hofidiana, Atoa Guy Rivo Randrianarisoa mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana. Nambarany tamin’izany fa «olon-kendry iny lehilahy iny ary matokisa azy hatrany isika vahoaka raha nanao fanambarana nilaza ny tsy filatsahan-kofidiany ny tenany. Ireny no porofo fa tsy izy no vato misakana ny famahana ny krizy, araka ny fandemen-tsaina ataon’ireo mpanao politika sasany». «Voaporofo izao fa ny tombontsoam-pirenena sy ny vahoaka Malagasy no ambony ho an’ny Filoha ka nasehony fa manana finiavana hamaha ny krizy izy ary Raiamandrenin’ny Malagasy tokoa», hoy hatrany ny mpitondra teny nanohy ny fanazavana. Ny hisian’ny marimaritra iraisana hanavotana ny tanindrazana no zava-dehibe aminy ka tsy tokony hiroaroa saina na hivadi-pitokisana ny vahoaka Malagasy. «Ny zava-dehibe ho antsika aloha izao dia ny fodian’Atoa Filoha Ravalomanana eto an-tanindrazana ka miantso ny firaisankinan’ny Malagasy», hoy i Guy Rivo Randrianarisoa, ity farany izay nanainga ny vahoaka mba ho tony hatrany.
Niditra an-telefaonina nivantana tamin’io andro io ihany koa, Atoa Marc Ravalomanana na efa somary hariva aza, nanolotra fisaorana sy fankaherezana ny Malagasy rehetra tsy nanadino azy. «Misaotra an’Andriamanitra lehibe isika nahatratra izao andro izao nanome tombon’andro ho ahy hamitako ny adidy ho an’ny tanindrazako, minoa ary matokia an’Andriamanitra fa tsy maintsy hihaona tsy ho ela any an-tanindrazana isika mianakavy ka mivavaha mandrakariva ». Horakora-pifaliana no nandraisan’ny vahoaka tao an-toerana izany fa nazava ny resaka. Mitohy ny tolona ary vonona mandrakariva izahay ary manome toky an’Atoa Filoha fa tsy hivadi-belirano aminy.
Nangonin’i Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.