Politique

Ambatondrazaka Propagandy sa fitokanana ?


  • Talata 05 Oktobra 2010

Naverimberina tamin’ny radio tao Ambatondrazaka ny sabotsy 02 oktobra teo fa hatao anio talata 05 oktobra ny lanonana fametrahana ny vatofototry ny fanamboarana ny kianja sentetika ao Ambatondrazaka.

Ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina, no nampanantena ny hanaovana ho sentetika ny kianja Rasolonjatovo, tamin’ny fitsidihana voalohany nataony tao Ambatondrazaka renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro ny sabotsy 04 septambra 2010. Nahagaga fa dia niova tampoka indray io filazana io omaly alatsinainy. Nisy fiara nandehandeha nihodina ny tanàna, miantso ny olona, ho avy ao amin’io kianja io fa dia hisy lalao baolina kitra goavana hatao ao, izay hotarihin’ny ministry ny fanatanjahantena Ramamonjisoa Virapin sy ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro. Ka inona no marina, hanao propagandy sa hametraka vatofototra tokoa ? Ankoatra io mantsy dia re koa fa hatao amin’ny 17 oktobra 2010 ho avy io ny fanombohan’ny asa fanarenana ny lalam-pirenena faha-44 araka ny fampanantenan’i Andry Rajoelina ihany.

Na fametrahana vatofototra na fisantarana dia manana endrika fitokanana izany, ary voararan’ny lalàna ny fanaovana azy anatin’ny vanimpotoan’ny fampielezan-kevitra. Miova avokoa moa ny zava-drehetra ankehitriny, ka dia mety tsy harahina izany. Fa ny mety ho fanararaotana hanaovana fampielezan-kevitra hampandany ny “ENY” amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka heverin’izao fitondrana FAT izao, handaniana ny lalàmpanorenana, ny lanonam-panjakana dia sady tsy fahatokisan-tena no miendrika faneriterena no mampiasa ny fitaovam-panjakana hanatanterahana izany. Ho hita eo ihany moa. Ny any Ambato rahateo tsy mahalala izay fifidianana ho avy izany ny olona. Ny fihariana sy ny tsy fandriampahalemana no manahirana azy. Na “panneau” hametahana ireny afisy ho an’ny fampielezan-kevitra ireny aza tsy tazana any an-toerana. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT