Politique

Ambatondrazaka Mihantsy ireo zanak’i Dada i Vyvato Rakotovao


  • Talata 02 Aogositra 2011

Vao nandray fitenenana ny minisitry ny fambolena ao amin’ny governemantan’ny FAT, Vyvato Rakotovao tany Ambatondrazaka nandritra ny fanokafana ofisialy ny Lapabe andiany fahatelo dia teny feno fihantsiana no nataony.

 Hoy izy : “Raha mbola misy mandrebireby dia ento am-bavaka ho tonga saina. Andian’olona vitsy sisa no manohitra ny FAT”. Nambarany fa olona nifanenjika izy sy ny Lehiben’ny etamazaoron’ny tafika, ny jeneraly Ndriarijaona André taloha kanefa tafara-dalana ao anaty fitondrana ankehitriny. Nohamafisiny fa efa firaisam-pirenena ny fitondrana tetezamita izay efa miroso ka tsy afaka hiandry ny tsy afaka intsony. Somary niteraka fanafintohinana ho an’ireo olona sasany ihany ny fiteny izay nataon’ingahy minisitra, indrindra ny nahasahiany nitsikera ny fomba fitenin’ny filoha Marc Ravalomanana ny hoe : tetezana, teo koa ny nanambarany fa mila amboarina tsara aloha ny tatezana vao miroso amin’ny dingana manaraka. Ny mahavariana dia miantso fifankatiavana sy fihavanana ny FAT nefa ny resaka famotsoran-keloka aza tsy mbola misy fijerena hatramin’izao. Toa mora tokoa ny manova fijery rehefa mahazo toerana, ary tsy maninona ny manao teny fihantsiana ireo namana fahizay rehefa nahazo ny tombontsoa kely ! Ho hita eo ny ataon’ireo zanak’i Dada ao Ambatondrazaka taorian’ity fandalovan’i Vyvato Rakotovao tany an-toerana ity, izay nilaza fa efa milamina ny tany sy ny firenena.

 

Niry A.

 

Sary : Ireo Minisitry ny FAT niditra ny kianja Rasolonjatovo nampanantenaina herintaona lasa izay fa hatao sentetika

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT