Politique

Ambatondrazaka Efa tsindrindaona miandry an’i Dada


  • Alarobia 09 Janoary 2013

Nahavita ny lanonam-pifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2013, tao amin’ny Akany Fitiavana ny alahady 6 janoary teo, ny Ankolafy Ravalomanana Ambatondrazaka notarihan’ny CT Rasoamalala Odette Brenda.

 Nivoaka avy tao anatin’izany lanonana izany ny fiandrandran’ny vahoakan’Ambatondrazaka ny amin’ny fihaonana indray amin’ny Prezidà Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana. Efa dodona hamerina ny fampandrosoana nimatimatesana niaraka tamin’i Dada ny vahoaka, hoy ny feo heno tao amin’ity Akany ity. Marihina fa maromaro ireo Tangalamena nanatrika ity lanonana ity izay nankasitraka tanteraka ny tsy fanadinoana azy ireo amin’ny lanonan’ny Asaramanitra tahaka itony. Tamin’ny teny fohy nentiny no nanentanan’ny CT Brenda an’ireo vahoaka nanotrona ny lanonana hiomana sy ho vonona raha vao antsoina amin’ny fitsenana ny Prezidà Marc Ravalomanana. Nisy koa ny fanentanana ny olona mba hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana ahazoana miroso amin’ny fifidianana.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT