Politique

Amable André Benjamin “Resa-jaza ny mbola hiantsoana mpanao politika !”


  • Alatsinainy 08 Aogositra 2011

Tsy io fifidianana Kaominaly sy Faritra vao nolanianay tety amin’ny Kongresin’ny tetezamita io mihitsy no andrasan’ny Vondrona Iraisam-pirenena hanomezany ny fankatoavana fa ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ny CT Amable André Benjamin, filohan’ny fikambanana JDM sady filohan’ny vondrona parlemantera «Les As».

 Nilaza, hoy izy, ny filohan’ny tetezamita raha nihaona taminay fa : «tsy maintsy manao fifidianana isika amin’ity taona ity fa manjary mamita-bahoaka !». Ka inona, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity, no tsy hanaovana ny fifidianana filoham-pirenena ? Tsy hitako indray, hoy izy, izay mbola hiantsoana mpanao politika fa lasa resa-jaza. Efa miroso dia mihemotra indray. Efa tapaka teny Ivato, hoy izy nanohy ny teniny, fa ny fifidianana filoham-pirenena sy parlemantera no hatao miaraka ka hovana indray. Lasa tsy hatoky antsika intsony ny Iraisam-pirenena satria hiverimberenana ny efa tapaka.

Tsy mety koa izany vata fandatsaham-bato hitambaran’ny fifidianana samihafa izany, hoy i Amable André, fa manjary mifangaro voraka ny zava-drehetra. Amiko, hoy izy, dia tsy tokony hivoaka mihitsy ny datim-pifidianana satria tsy mbola misy ny fepetra hisiana fitoniana noraisina. Io anefa no tokony hatao mialoha izany fifidianana izany : ao ny fanaovana ny famontsoran-keloka, ny famoahana ny gadra politika rehetra hatramin’ny 2002. Amin’izao fotoana izao mbola misy ny Ankolafy 3 sy ny mpomba ny fitondrana tsy mifanara-kevitra ka tsy hilamina mihitsy ny resaka. Mbola nambaran’ity CT ity fa anisan’ny hisian’ny fitoniana iray koa ny famerenana amin’ireo solombavambahoaka teo aloha rehetra ny fiarany tsirairay avy mbola mandehandeha sy mipetrapetra-potsiny any amin’ny andrim-panjakana samihafa any. Farany dia nambaran’i Amable koa fa nangatahan’ny CT ihany ny fananganana ilay “Cellule de crise” saingy novaina ho “Commission d’enquête parlementaire” ny anarany satria tsy resaka andramena ihany no arahi-maso fa izay trangan-javatra rehetra tsy mety eto ain’ny firenena.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT