Azo ambara fa tany tsy misy fanjakana ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny filoha lefitra nasionalin’ny antoko Leader Fanilo tarihan’Atoa Rabesa Zafera Antoine.
Raha ny zava-misy notarafina tamin’ny hetsika fankalazan’ny antoko TIM ny faha-15 taonany tamin’ny sabotsy teo no jerena, hoy izy, dia tsapa izao fa misy ny lalàna “seconde zone” ho an’ny antoko hafa ivelan’ny fitondrana eto amintsika izay tsy afaka manao fihetsiketsehana na aiza na aiza ary misy ny lalàna natokana ho an’ny antokon’ny fitondrana dia ny HVM izay afaka manao fihetsiketsehana amin’izay tiany hatao, eny fa na dia eny an-dalambe aza. Tsy mahagaga raha manao izay saim-pantany ny vahoaka, hoy izy satria miainga avy any ambony ny ohatra “L’exemple vient d’en haut”.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.